Tselatra

    • mardi, 25 février 2020 21:08
    • Sary nindramina

    Belo Tsiribihina: Lakam-by misy motera rendrika, 44 avotra, zaza 1 tsy hita popoka

    Tra-doza, androany maraina, teny amin’ny reniranon’i Tsiribihina ny lakam-by misy motera iray "Longomamy" raha hiakatra hiazo an’i Miandrivazo. Avotra ny 44 tamin’ireo mpandeha tao anatiny, zaza iray kosa no tsy mbola hita hatramin’ny hariva teo. Mitohy ny fikarohana, nandefa sambokely haingam-pandeha ny Faritra Menabe hanafainganana izany. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 25 février 2020 20:38

    Ranobe - Amboasary Atsimo: Notafihin’ny dahalo radoko sy rasazy tao amin'ny CSB

    Notafihin’ny dahalo ny mpiasan'ny fahasalamana tao amin'ny CSB Ranobe Distrika Amboasary Atsimo ny alin’ny alatsinainy 24 febroary 2020. Voavely vodibasy sy voakasi-tanana ilay mpitsabo sy mpampivelona miasa ao, avy eo norobain’ireo olon-dratsy ny fananan’izy ireo.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 25 février 2020 14:14

    Coronavirus: Mahavelombolo ny voka-pikarohana vaksiny fanefitra hitan’ny Sinoa

    Araka ny nambaran’ny ambasadaoro Sinoa any Rosia dia mikaroka vaksiny fanefitr’ilay valanaretina « coronavirus » ny any Chine. Mahavelombolo ny vokatra azo hatreto hoy ity diplaomaty ity.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 25 février 2020 14:10
    • Sary nomena

    Maroantsetra: Mitokona ireo mpampiofana ao amin’ny CRINFP

    Mitaraina ireo mpampiofana ao amin’ny CRINFP (Centre Régional de l'Institut Nationale de Formation Pédagogique) toeram-pamolavolana sy fanofanana ireo mpampianatra mpanabe eto Maroantsetra, fa tsy zarizary ny tontolo iasan’izy ireo, tsy misy dinika sosialy hanatsarana ny fiainana sy tombontsoa tokony sitrahan’ny mpiasa. Niroso amin’ny fitokonana izy ireo fa tsy mandray ny andraikiny ny tompon'andraikitra. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 24 février 2020 22:24
    • Sary nindramina

    Coronavirus: Filaharam-be any Korea atsimo hividy sarom-bava

    Coronavirus: Filaharam-be any Korea atsimo hividy sarom-bava  
    Lire la suite ...
    • lundi, 24 février 2020 20:38
    • Sary nindramina

    Coronavirus: Firenena miisa 30 no voa, voatery nahemotra ny fivorian’ny Antenimieram-pirenena Sinoa

    Tafakatra 2592 ny namoy ny ainy noho ny Coronavirus any Chine. Dimy ny maty any Italia, izay firenena Eoropeana voalohany ahitana olona betsaka matin’io Coronavirus io. Nanapa-kevitra ny fanjakana any Chine, tamin’ity alatsinainy 24 febroary ity, fa ahemotra amin’ny fotoana manaraka ny fivoriana azon’ny besinimaro atrehina eo anivon’ny Antenimieram-pirenena Entim-bahoaka sinoa, raha tokony hisokatra amin’ny 5 martsa toy ny fanao isan-taona nanomboka tamin’ny 1985. Namoaka fepetra ihany koa ny fanjakana sinoa, fa tsy azo atao ny mivarotra sy mihinana biby dia, « animaux sauvages », hisorohana ny fihanak’ity valanaretina ity.
    Lire la suite ...
    • lundi, 24 février 2020 18:24
    • Sary Gasypatriote Morondava

    Morondava: Dibo-drano ny faritra iva

    Niakaran’ny rano ny tanàna sasany teto an-drenivohitry ny Faritra Menabe, vokatry ny fifanojoan’ny reniranon’i Kabatomena amin’ny fiakaran’ny ranomasina omaly hariva. Voakasik’izany ny Fokontany Ampasy, Tanambao, Ankisirasira Nord, Ankisirasira Sud, Andakabe Est sy Andakabe Ouest. Efa nisy fihenany ny rano androany atoandro, saingy ahiana ny mbola hiverenan’io rano manondraka faritra iva io amin’ny fiakaran’ny ranomasina anio hariva. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 24 février 2020 18:22

    Fandriana: Lehilahy iray tratra nanao diplaoma sandoka

    Maniry mafy mba ho tafiditra mpiasam-panjakana, ka nanao ny tsy fanao. Diplaoma sandoka no namenoany ny antontan-taratasy ilaina. Tra-tehana izany ary efa eo ampelantanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha, manao ny famotorana ahitana ny tambazotra mifamatotra amin’izao hosoka izao.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 24 février 2020 18:04

    SEMPAMA Nosy: Miandry vahaolana ato anatin’ny 72 ora

    Manome 72 ora ny fanjakana, manomboka amin’ity alatsinainy 24 febroary ity, ny mpampianatra eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena sy fanofanana ara-teknika sy arak’asa, hanomezana vahaolana mikasika ireo fitakiana samihafa nataon’izy ireo. Takian’ny mpampianatra ny famoahana ny didim-panjakana fampiharana ny « bonification FRAM », ny fanatanterahana ny sokajy na « catégorie 3 » sy « catégorie 4 » ho an’ireo mpampianatra nivoaka tamin’ireo toeram-panofanana isam-paritra na CRINFP. Takian’izy ireo ny handraisana ho mpiasam-panjakana ireo FRAM be taona, mihoatra ny 45 taona sy ny hampidirana ao anatiny « bon de caisse » ny tambinkarama 50 000 Ariary efa tokony ho azo tamin’ny volana janoary 2020. Tamin’ny fivoriambe teny Ampefiloha ny zoma 21 febroary 2020 no nanapahana io fe-potoana 72ora hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny sendika SEMPAMA Nosy.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 24 février 2020 17:59

    Antoko HVM : Nanao vela-kevitra momba ny fanjakana tan-dalàna

    « Fanjakana tan-dalàna, antoky ny fampandrosoana » io no lohahevitra novelabelarin’ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) tetsy amin’ny Carlton io tolakandro io. Noresahana betsaka nandritra izany ny raharaham-pirenena.  
    Lire la suite ...
Page 1 sur 517