Sport

    • jeudi, 27 février 2020 22:43
    • Sary nindramina

    Kitra: Tena mbola liana amin’i Arnaud ny klioban’ny Grenoble (Frantsa)

    Nanamafy i Hakim Aibeche, mpanazatran'ny Grenoble B any Frantsa, fa tena mbola liana amin'i Arnaud Randrianantenaina izy ireo. Nambaran’ity mpanazatra ity fa mila lohalaharana mahavita mamono baolina 15 ka hatramin’ny 20 isa mandritran'ny taom-pilalaovana iray ny klioba, ka izany no anisany mahasarika azy ireo amin’i Arnaud. Nampiakatra ny lentan’ny fahaizan’i Arnaud ny fandraisany anjara tamin’ny « Coupe Arabe U20 » tany Ryad Arabia Saodita, na dia tsy nandingana ny fifanintsanam-bondrona aza ny Barea U20.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 27 février 2020 13:54
    • Tahirin-tsary

    Complexe sportif Ampisikina Mahajanga: ONG Tafita any Antananarivo no mitantana azy

    Manomboka mampiaka-peo ny tanora eto Mahajanga, satria narodana ny Gymnase fanaovana fanatanjahan-tena, hananganana vaovao, nefa ny asa hatreto tsy misy miainga. Ilay Complexe sportif etsy Ampasikina anefa dia andoavam-bola, ka 30 000ariary ny manao basket mandritra ny 1ora. Ary mbola ONG Tafita any Antananarivo no miandraikitra izany. Ity Complexe sportif ity moa hatrany ampiandohana dia efa nisy olana, satria tao anatin'ny herin'andro monja dia niova anarana in-telo izy tamin'ny volana janoary 2016. Tamin'ny voalohany dia "Gymnase Municipal de Mahajanga" ny soratra teo, dia nosoloina "Gymnase olympique de Mahajanga" niaraka tamin'ireo famatarana anneaux olympiques, izay misy fepetra ny fampiasana azy ireny, dia niova indray ho "Complexe sportif de Mahajanga", ary nafenina tao ambadiky ny sainam-pirenena ireo anneaux olympique ireo rehefa natao ny fitokanana azy.
    Lire la suite ...
    • lundi, 24 février 2020 20:39
    • Sary: MJS

    Judo - "Open International de La Réunion": Nandrombaka medaly 11 ny solontena Malagasy

    Volamena miisa 5, volafotsy 2 ary alimo 4 ; nandrombaka medaly 11 ireo solontena Malagasy nifaninana tamin’ny "Open International de La Réunion" teo amin’ny taranja judo natao tatsy amin'ny nosy rahavavy La Réunion. Tsara ny vokatra. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 23 février 2020 17:54
    • Sary nindramina

    Kitra – « Coupe Arabe U20 »: Maroc 2 – 1 Madagasikara

    Resin’i Maroc tamin’ny isa 2 noho 1 i Madagasikara androany, tamin’ny lalao fifanintsanam-bondrona atrehiny amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena « Coupe Arabe U20 » atao any Arabia Saodita. Nirava ady sahala 0 noho 0 ny ekipa roa tonta teo ampialan-tsasatra. Nitarika an’isa ny Maraokana teo amin’ny minitra faha-50 ny fizarana faharoa. Nosalahain’i Arnaud, kapiteny, ny isa teo amin’ny faha-75 minitra. Nahazo penalty i Maroc minitra vitsy tsy hifaranan’ny lalao ary tafiditra ny baolina ka nitondra ny fandresena ho an-dry zareo Maraokana. Fandresena iray nanoloana an’i Djibouti, ary faharesena roa nanoloana an’i Bahreïn sy Maroc no vokatra azon’ny Barea U20 tamin’ireo lalao telo nataony tamin’ity « Coupe Arabe U20 », vokatra izay tsy ampy hanohizany ny dia. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • samedi, 22 février 2020 23:04
    • Sary nindramina

    Volley – Tompondakan’ny faritra faha-7: Norombahan’ny Tampon Gecko Volley sy ny Quatre Borne ny anaram-boninahitra

    Lavo teo amin’ny lalao famaranana ireo solontena malagasy teo amin’ny sokajy lehilahy sy vehivavy tamin’ny andiany faha-26 amin’ny fiadiana ny tompondakan’ny faritra faha-7 isan-tarika natao androany. Teo amin’ny sokajy lehilahy dia resin’ny Tampon Gecko Volley avy atsy La Réunion tamin’ny seta 3 noho 2 ny ekipan’ny Zandarimariam-pirenena na GNVB Madagascar teo amin’ny famaranana. Teo amin’ny sokajy vehivavy indray dia voahosotra ho tompon-daka ny Quatre Borne avy atsy Maorisy rehefa nanamontsana ny Stef'Auto Madagascar tamin’ny seta 3 noho 0. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • samedi, 22 février 2020 22:39
    • Sary nindramina

    Faneva Ima: Nanoro hevitra sy nanome fanampiana an’ireo mpilalaon’ny Barea U20

    Hiatrika lalao fahatelo amin’ny fifaninanam-bondrona ny Barea U20 mandray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena « Coupe Arabe U20 » atao any Arabia Saodita. Hifanandrina amin’i Maroc i Madagasikara rahampitso alahady 23 febroary hariva. Mila mibata fandresena mazava ny Barea U20 mba hanohizany ny dia amin’ity fifaninanana ity. Omaly dia tonga tao amin’ny Holiday Inn Riyadh, hotely ipetrahan’ny Barea U20 nanoro hevitra azy ireo i Faneva Ima, kapitenin’ny Barea zoky teo aloha, niaraka tamin’ny vady aman-janany, sady nanolotra fanampiana ara-bola ho an’ireo tanora mandrafitra ny Barea U20. Mila ravinahitra any Arabia Saodita i Faneva Ima, milalao ao amin’ny Al Faiyah, klioba diviziona voalohany any Arabia Saodita. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 21 février 2020 15:30
    • Sary Gasypatriote Sambava

    Kitra – Ligy SAVA: « Ravao ny ligy fa tsy misy ny ilàna azy intsony », hoy ireo mpitarika klioba

    Nafana ny adihevitra nihidy aman-trano tao amin'ny efitra malalaky ny foibem-paritry ny rano eto Sambava Centre, omaly Alakamisy, raha namory ireo mpitarika klioba baolina kitra ato amin'ny Faritra SAVA ny ligim-paritry ny baolina kitra. Raha hitady vahaolana mba hanatsarana ny baolina kitra aty SAVA ny lahadinika dia tsy nisy tapaka afa-tsy ny hoe : « Ravao tanteraka ny ligy fa tsy misy ny ilàna azy intsony », hoy ireo mpivory. Nanambara ny avy amin'ny klioba « Jaolahin’ny Iharana » Vohémar fa tsy handray anjara amin’ny fiadiana ny tompondakan’ny SAVA raha tsy rava ny ligy ka miova olom-baovao. Nanamafy izany koa ny avy amin'ny Alliance Andapa. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 21 février 2020 12:38
    • Sary: Fédération Malagasy de Natation

    Lomano - Tompondakan'i Afrika Faritra faha- IV: Medaly volamena ho an'i Idealy

    Nandrombaka medaly volamena ary voahosotra ho tompondakan'i Afrika Faritra faha- IV amin’ny taranja lomano teo amin’ny halavirana 100m mitsilany i Tendrinavalona Idealy, omaly, tamin’ny fifaninanana natrehiny tao Gaborone-Botswana. Miisa efatra ny mpilomano malagasy miaro ny voninahi-pirenena amin’ity fifaninana afrikanina atao any Gaborone (Botswana) dia i Tendrinavalona Idealy, Rabejaona Oly Antsa, Rakotomavo Jhon ary Andrianirina Lalanomena Anthony.    
    Lire la suite ...
    • jeudi, 20 février 2020 20:53
    • Sary nindramina

    Kitra – « Coupe Arabe U20 »: Madagasikara 4 # 5 Barheïn

    Niondrika tamin’ny isa 4 noho 5 i Madagasikara nanoloana an’i Barheïn androany tamin’ny lalao faharoa natrehiny amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena « Coupe Arabe U20 » tanterahina any Arabia Saodita ny 17 febroary ka hatramin’ny 5 martsa 2020. I Bahreïn no nisantatra ny fampidiram-baolina tamin’ity lalao ity. Nitarika 2 noho 0 izy ireo, vao nifoha ny Malagasy, ary nahavita nanao sahala 2 noho 2. 3 noho 2 ny isa nentin’ny ekipa roa tonta niala sasatra, nanantombo i Bahreïn. Nahavita nampitsibadika ny isa ny Barea ka nitarika 4 noho 3 teo amin’ny minitra faha-59, taorian’ny matin’i Raicardo. Nanararaotra ny lesoka tao amin’ny mpiandry harato Malagasy ry zareo Bahreïn ka nahatafiditra baolina roa tao anatin’ny 8 minitra. 5 noho 4 ny isa teo amin’ny minitra faha-67, nanatombo i Bahreïn, io koa no isa nisarahan’ny roa tonta.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 20 février 2020 15:04

    Kitra-Coupe Arabo U20: Hifanandrina i Madagasikara sy Barhein anio

    Hiatrika ny lalaony faharoa amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena « Coupe Arabo U20 » atao any Arabia Saodita i Madagasikara anio. Hifanandrina amin’i Barhein ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny baolina kitra latsaky ny 20 taona, anio amin’ny 6ora hariva, ora eto Madagasikara. Nandresy an’i Djibouti tamin’ny isa 4 noho 3 i Madagasikara tamin’ny lalao voalohany natrehiny ny alatsinainy lasa teo.  
    Lire la suite ...
Page 1 sur 70