Sociale

    • dimanche, 23 février 2020 18:24
    • Sary: MMRS

    Brieville: Tonga ny haraton’aina ho an’ny mpiasan’ny Kraomita Malagasy

    Tafiditra amin’ny famahana ny olana mianjady amin’ny lafiny mahaolona ho an’ireo mpiasan’ny KRAOMA (Kraomita Malagasy) ny fahatongavan’ny haraton’aina ho an’ireo mpiasa tany an-toerana ny Zoma 21 febroary 2020. Vary 25 taonina, menaka 500 litatra, labozia 1000 isa sy savony 1500 isa, tolo-tanana avy amin'ny tsara sitrapo ho an’ireo mpiasan’ny KRAOMA no tonga tao Brieville Distrikan’i Tsaratanana, ka mpiasa 500 mahery sy ny ankohonan’izy ireo avy no hisitraka an’izany. Nanambara ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, Ravokatra Fidiniavo fa tsy maintsy hirosoana ny fepetra fanarenana ny orinasa Kraomita Malagasy na dia eo aza ny fahasahiranana atrehina amin’ny fiaraha-miombon’antoka. Mila ny mpiasa hitondra ny traikefany sy ny fangaharaharan’ny fitantanana anefa izany. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 23 février 2020 17:07
    • Sary: ZP

    Jeneraly Ravalomanana mivady: Nanolotra mari-pankasitrahana ho an'ireo zanaka zandary mendrika tamin’ny fianarana

    Notoloran’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena Jeneraly Richard Ravalomanana mivady mari-pakasitrahana ireo zanaka zandary mendrika tamin’ireo fanadinana ara-panjakàna nandritra ny taom-pianarana 2018-2019. « Mila olona mahay any amin’ny sehatra misy azy avy ny firenena mba hampandroso azy, fa tsy olona ahazo asa araky ny kolikoly », hoy ny Jeneraly Richard Ravalomanana. Nampirisika ny ankizy hianatra, hiezaka, hahay tsara ny tenany satria reharehan’ny ray aman-dreny ny manana zanaka mahay. Notanterahina tao amin'ny Akany FIVAZA Betongolo ny lanonana mikasika izany ny sabotsy 22 febroary 2020. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • samedi, 22 février 2020 22:52
    • Sary: BNGRC

    Faritra Androy: Manomboka ny tetikasa vonjy aina iatrehan’ny mponina ny haintany

    Kaominina miisa 58 ao amin’ny Faritra Androy no isany ianjadian’ny haintany tato anatin’ny efa-bolana teo, izay nampihantona ny orana. Tonga tany Androy ny delegasiona tarihin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, androany sabotsy 22 febroary 2020, nanomboka ny tetikasa vonjy aina hamonjena ny mponina. Hozaraina rano maimaimpona ny mponina, ary dia hisy kamiao vaovao mpitaona rano hitety ireo Kaominina hizara izany maimaimpona amin’ny mponina mandritra ny efa-bolana ho avy.
    Lire la suite ...
    • samedi, 22 février 2020 21:00
    • Sary: CUA Serasera

    Toeram-pisakafoanana « Zaimaika »: Nirodana tampoka ny tafo noho ny orana be omaly alina

    Tao anaty ora-nikija alina no nirodana tampoka ny tafon'ny « Zaimaika », izay misy toeram-pisakafoanana maromaro. Efa antitra, ary efa fotoana elaela no tsapan’ny mpivarotra ao ny fahasimbana tamin’ity foto-drafitra fihinanan’ny olona vary mitsangana sy kafe sy mofo ity. Andro alina no nirodanany. Tsy nisy aina nafoy. Olona aman’arivony isan’andro no manao tohan’aina ao amin’ity toerana ity. Efa nodiovina moa ny toerana, ary nisy lamina napetraka vonjimaika ho an'ireo mpivarotra. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 20 février 2020 21:10
    • Sary nindramina

    Zaza kamboty zanaka miaramila: Nampirisika azy ireo hilofo amin'ny fianarana ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena

    Tonga teny Antsahasoa Iavoloha, Antananarivo Atsimondrano, toerana misy ny Akany fitaizana zaza kamboty, zanaky ny miaramila lavo teo am-panatanterahana iraka, androany alakamisy 20 febroary, ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard. Nankahery ny ankizy ary nitondra fitaovam-pianarana, sy ireo kojakoja mety ilain'izy ireo, ankoatran'ny kilalao ny minisitra. Nampirisika azy ireo hilofo hatrany amin'ny fianarana ihany koa izy, ary nisaotra ihany koa an'ireo mpanabe eo anivon'io toerana io ny tenany, ary nanolotra fitaovana hoentina manampy azy ireo amin'ny andavanandron'ny Akany. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 20 février 2020 10:43
    • Sary nindramina

    Famatsian-drano any Atsimo: Tsy nahavaha olana ny AES ?

    Maina ny tany any atsimo, saro-tadiavina ny rano. Distrika enina no ahiana ho voakasiky ny haintany, tsy fahampian-drano sy tsy fahampian-tsakafo any atsimon’ny Nosy : Amboasary Atsimo, Ambovombe, Bekily, Betioky, Ampanihy ary Tsihombe araka ny tatitry ny Filankevitry ny minisitra omaly. Mipetraka ny fanontaniana manoloana ny olana amin’ny tsy famatsiana rano any atsimo hoe : tsy nahavaha olana ve ny fisian’ny AES (Alimentation en Eau dans le Sud), izay manana ny foibeny ao Ambovombe Androy. Manana fiara be « citerne » fitaomana rano tokony hamatsiana ireo toerana fitsinjarana rano ho an’ny mponina.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 19 février 2020 15:41
    • Sary: Mesupres

    IST Manakara: Hifanome tanana ho fanatsarana ity sekoly ambony ity ny ministera

    Nihaona tamin’ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Assoumacou Elia Béatrice tao amin’ny biraony eo Fiadanana, omaly 18 febroary, ireo Raiamandreny avy ao amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany. Niaraha-nidinika ny fomba hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana sy hanomezana sehatra mampiroborobo ny kalitao, sy mitsinjo ireo mpianatra. Anisan’izany ny fanatsarana ny sampana fampianarana izay sahanin’izy ireo ao amin’ny IST Manakara, miompana indrindra amin’ny fambolena sy fiompiana. Vonono ny hifanome tanana amin’ny fanatanterahana ireo dingana rehetra ho fanatsarana ity sekoly ambony ity ny ministera. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 18 février 2020 14:46
    • Sary: Ministère de la Justice de Madagascar

    Jeneraly Ramakavelo Désiré: Nitondra "Fanabeazana ny olona handray andraikitra" teny amin'ny Fonjaben'Antanimora

    Nanatontosa famelabelaran-kevitra narahina adihevitra tao amin'ny Fonjaben'Antanimora Antananarivo ny Jeneraly Ramakavelo Désiré ny marainan'ity 18 febroary ity. "Fanabeazana ny olona handray andraikitra" no lohahevitry ny famelabelarana natrehin’ny ankizy tsy ampy taona beazina ao an-toerana, ny Ray aman-drenin'izy ireo, ny mpanabe azy ao Antanimora, ny mpiantsehatra tsy miankina amin'ny fanabeazana sy fanarenana ny zaza nania, ary ny tompon'andraikitra avy eo anivon’ny Minisiteran'ny Fitsarana, notarihin’ny Tale Jeneralin’ny Fandraharahana ny Fonja, Ranaivo Andriamaroahina Tovonjanahary.  (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 18 février 2020 13:54
    • Sary nindramina

    Mahanoro: Nitondra fanampiana tany an-toerana ny minisitry ny mponina Naharimamy Lucien Irmah

    Taorian’ny dian’ny Praiminisitra nampahery ireo traboina sy nijery ny fahavoazana, ary nanao tombana ny fanampiana maika tokony hatao, dia tonga taty Mahanoro nitarika ny iraky ny fanjakana nitondra fanampiana ny ministry ny mponina Naharimamy Lucien Irmah ny alatsinainy 17 febroary 2020. Vary, voamaina, ronono sy kojakoja maro samihafa no nozaraina tamin’ireo fianakaviana traboina. Miara misalahy amin’izao fanampiana ny mpiara-belona izao ny avy ao amin’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena sy ny BNGRC. Isan’ny Distrika niharan’ny fiakaran’ny rano vokatry ny andro ratsy Francisco farany teo ny Distrikan’i Mahanoro, Faritra Atsinanana. Tokatrano maro no mbola miaina ao anaty rano amin’izao fotoana izao.
    Lire la suite ...
    • mardi, 18 février 2020 11:07
    • Sary nindramina

    CNAPMAD: Mitaraina ho tsy mbola nahazo karama volana Janoary ny mpiasa

    « Very fanahy mbola velona izahay mpiasa ato amin’ny CNAPMAD (Centre National de Production de Matériel Didactique), satria tsy mbola nahazo karama volana Janoary 2020 hatramin’izao. Manana fianakaviana velomina izahay, sy zaza mianatra nefa izany ny olana», hoy ny fitarain’ny mpiasa ao amin’ity orinasam-panjakana ity. Nanapa-kevitra ny mpiasa fa mifandimby ny famonjena toeram-piasana satria efa samy sahirana, na ny handoavana saran-dalana amin’ny taxi-be aza tsy misy. Manaitra ny mpitondra fanjankana izy ireo mba hijery vahaolana fa sahirana. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
Page 1 sur 205