Politique

    • mardi, 25 février 2020 20:35
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Ejipta: Nodimandry teo amin’ny faha-91 taonany ny filoha teo aloha Hosni Moubarak

    Nindaosin’ny fahafatesana tao amin’ny hopitaly miaramila Galaa ao Caire renivohitr’i Ejipta, androany talata 25 febroary 2020 ny filoha ejipsiana teo aloha Hosni Moubarak. Mohammed Hosni Moubarak no anarany feno, Hosni Moubarak no fiantso mahazatra azy. Izy no nitondra an’i Ejipta teo anelanelan’ny 14 oktobra 1981 sy 11 febroary 2011. Hetsi-bahoaka teo amin’ny Kianja Tahrir, nampian’ny miaramila, no nampiongana azy teo amin’ny fitondrana. Nandriaka ny rà, maro ny namoy ainy, manodidina ny 850, teo anelanelan’ny 25 janaory ka hatramin’ny 11 febroary 2011. Voaheloka higadra mandram-pahafatiny i Hosni Moubarak noho ireo ain’olona nafoy nandritra io hetsika-bahoaka io. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 24 février 2020 22:12
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Jean-Yves le Drian: Nitondra fanazavana momba ny anton-diany teto ny ministeran’ny Raharaham-bahiny malagasy

    Nanao fanambarana, androany, ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny malagasy mikasika ny fitsidihana nataon’ny minisitra Frantsay misahana an’i Eorôpa sy ny Raharaham-bahiny, Jean-Yves le Drian, teto Madagasikara ny 20 sy 21 febroary 2020 lasa teo. Mba ho fisorohana ireo ahiahy, na koa tsy fitovian-kevitra maro isan-karazany, hoy ny fanambarana dia manamafy ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny fa « tsy fanelingelenana velively, na sakana amin’ireo dingana tanterahana momba ny dinika miaraka amin'i Frantsa, momba ny famerenana ny Nosy Malagasy aty amin'ny Ranomasimbe Indianina, ny fitsidihana nataon’ity minisitra Frantsay misahana an’i Eôropa sy ny raharaham-bahiny ity. Vao mainka aza nanamafisana indray, ny toeran’i Madagasikara sy ny heviny momba io olana io ».
    Lire la suite ...
    • lundi, 24 février 2020 09:43
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Togo: Mandresy ny filoha amperinasa Faure Gnassingbé, hoy ny CENI

    Namoaka vokatra vonjimaika ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana CENI any Togo, omaly alahady, fa dia mandresy avy hatrany tamin’ny fihodinana voalohany ny fifidianana filoham-pirenena natao ny 22 febroary teo i Faure Gnassingbé. Nahazo 72,36% amin’ny vato manankery i Faure Gnassingbé, raha toa ka 18,37% no azon’ny manarakaraka azy dia i Agbéyomé Kodjo, praiminisitra teo aloha. Milaza ho mpandresy ihany koa ity farany, sady ny fisiana hosoka tamin’iny fifidianana iny. Nanomboka ny taona 2005 i Faure Gnassingbé no nitondra an’i Togo. Filoha mpisolo toerana izy teo anelanelan’ny 7 sy 25 febroary 2005. Voafidy in-telo nisesy izy taorian’io dia ny 24 aprily 2005, 4 martsa 2010 ary 25 aprily 2015. Dia izao voafidy filoham-pirenena fanin’efany izao. Lehiben’ny mpanaramaso ity fifidianana 2020 ity avy amin’ny Vondrona Afrikanina ny filoha malagasy teo aloha, Hery Rajaonarimampianina. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 23 février 2020 19:57
    • Anonymous
    • Photo Net

    Le Brexit touchera t-il Madagascar ?

    L’Europe est en pleine contradiction, plus particulièrement la France qui veut maintenir à tout prix la Politique Agricole Commune (PAC) dans un budget européen revu à la baisse à cause du Brexit. Cette diminution sera de 7 milliards d’Euros par an, ainsi le président français va devoir convaincre les pays du nord de l'Europe de compenser le départ des Britanniques, mais les Pays-Bas, la Suède, le Danemark, l'Autriche, et dans une moindre mesure l'Allemagne, sont réticents. Chaque responsable étatique a donné des priorités. La PAC est pour eux une mesure dépassée, ils préféreraient que l'Europe mette l'accent sur des politiques plus modernes comme le numérique ou la lutte contre le réchauffement climatique. Après le départ du Royaume-Uni le 31 janvier, voilà l’Europe, en pleine cacophonie, n’arrive pas à se mettre d‘accord pour son budget !
    Lire la suite ...
    • vendredi, 21 février 2020 12:47
    • Zakaria
    • Sary: Antenimierandoholona

    Fitsarana Avo: Misy mpikambana efatra Loholona solotenan’ny Antenimierandoholona

    Notanterahina ny alakamisy 20 febroary 2020, teny amin’ny foibeny teny Andrefan’Ambohijanahary-Antananarivo ny lanonam-panokafana ny fotom-piasan'ny Fitsarana Avo (Haute Cour de Justice). Manjany Bienvenu, Ramparison Luc, Rasamoelina Brigitte ary Ramahavalisoa Hanitra Eliane ireo loholona efatra solotenan’ny Antenimierandoholona ao amin’ny Fitsarana Avo. Ny Fitsarana Avo no miandraikitra ny fitsarana ireo raharaha mikasika ireo olom-panjakana ambony. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 21 février 2020 11:51
    • Zakaria
    • Photos fournies

    Plan Emergence Madagascar: 240 millions d'euros de la France pour sa mise en œuvre

    Deux conventions de partenariat entre la France et Madagascar ont été signées, hier, au Palais d'Etat d'Iavoloha. La France débloque un appui budgétaire de 240 millions d'euros en guise de soutien à la mise en oeuvre du Plan Emergence Madagascar. La première convention signée porte sur la subvention de 14,3 Millions d'Euros pour un appui au plan sectoriel de l'éducation (PSE). La signature a été effectuée entre le Ministre chargé de l'Aménagement du territoire et des Travaux publics, Hajo Andrianainarivelo qui assure l'intérim du Ministre de l'Economie et des Finances, et l'Ambassadeur de France à Madagascar, Christophe Bouchard, en présence du Président malagasy et du Ministre français en charge de l'Europe et des Affaires Etrangères. La seconde convention portant sur l'accord-cadre de partenariat sur l'éducation d'une durée de trois ans a été signée par la Ministre de l'Education nationale, de l'Enseignement technique et Professionnel, Rijasoa Andriamanana Josoa, et l'Ambassadeur de France à Madagascar, Christophe Bouchard.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 21 février 2020 11:40
    • Zakaria
    • Photo illustration - Présidence

    Iles Éparses: « Les négociations vont se poursuivre en confiance », dit Jean-Yves Le Drian

    Lors d'une brève interview, le Ministre français en charge de l'Europe et des Affaires Étrangères français Jean-Yves Le Drian a évoqué les négociations en cours entre la France et Madagascar concernant la restitution des îles Malagasy de l'Océan Indien. Jean-Yves Le Drian de soutenir que « les négociations vont se poursuivre en confiance, en amitié et en clarté ». Selon ses dires, la question des îles Éparses mérite une discussion approfondie.    
    Lire la suite ...
    • jeudi, 20 février 2020 20:08
    • Zakaria
    • Sary: MAE

    Jean-Yves Le Drian: Nigadona teny Ivato io tolakandro io

    Manatanteraka fitsidihana eto Madagasikara ny lehiben'ny diplaomasia frantsay Jean-Yves Le Drian. Manomboka androany, ary haharitra roa andro. Ny tolakandro teo no nigadona teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ity minisitra frantsay ity. Nitsena azy teo ampahatongavana ny Minisitry ny raharaham-bahiny malagasy Tehindrazanarivelo Liva. Anio hariva ihany dia horaisin'ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina eny Iavoloha i Jean-Yves Le Drian. Votoatin'ny diany eto ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin'i Madagasikara sy Frantsa. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 20 février 2020 11:38
    • Zakaria

    FANAFOANANA

    Araky ny tolokevitry ny Minsiteran’ny ati-tany sy ny fitsinjarampahefana : • Foana ny didim-panjakana manendry Sektretera Jeneraly, Talem-paritry ny fampandrosoana ny faritra ary ireo Tale misahana ny fiandraiketan-draharampanjakana ankapobeny isam-paritra ao amin’ny Faritr’i Vakinankaratra sy Vatovavy Fitovinany.• Foana ny didim-panjakana nanendry ireo talem-paritany rehetra• Foana ny didim-panjakana manendry ny mpandridnra jeneralin’ny Office National de Concertation sur la Décentralisation.• Foana ny didim-panjakana nanendry ny Préfet ao Ambovombe.• Foana ny didim-panjakana nanendry ny Préfet ao Tolagnaro.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 20 février 2020 11:02
    • Zakaria

    FANENDRENA

    Ny filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena iretompiasam‐panjakana ambony ireto: Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny Fitsarana :• Atoa IMBIKI Herilaza, dia voatendry ho Sekretera Jeneraly Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny Ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana :• Atoa HERMAN Reminantenaina, dia voatendry ho lehiben’ny distrikan’Amboasary-Sud• Ramatoa ZARA Amélie, dia voatendry ho lehiben’ny distrikan’i Toliara II• Atoa RANDRIAMANGA Falinirina Manoela, dia voatendry ho lehiben’ny distrikan’i Betioky-Sud• Atoa RANDRIANTSARA Théophile, dia voatendry ho lehiben’ny Distrikan’i Marolambo• Atoa RAFENOLAZA Jean Jacques, dia voatendry ho lehiben’ny Distrikan ‘i Soalala
    Lire la suite ...
Page 1 sur 115