Vaovao

    • mercredi, 07 avril 2021 18:35
    • Sary nomena

    EMMO/NAT : Fampiharana ny hamehana ara-pahasalamana

    Nanao fanambarana ny teo anivon'ny EmmoNat androany 07 aprily 2021 tetsy amin'ny Toby Jeneraly Ratsimandrava Richard, mahakasika ny fampiharana ny hamehana ara-pahasalamana izay mihatra ankehitriny eto amin'ny tany sy ny firenena. - Voalaza tamin'izany fa anisan'ny mikatona ny Faritra Analamanga. Nambara mazava anefa fa ny olombelona no tena tsy mahazo mivezivezy fa ny entana kosa dia afaka mivezivezy araka ny tokony ho izy fa ny mpamily sy ny mpamily mpanampy ary ny tompon'entana no ao anaty fiara.- Namafisiana araka izany ihany koa fa Faritra Analamanga no resahana eto fa tsy Antananarivo Renivohitra. Izany hoe any amin'ny toerana hifaranan'ny Faritra Analamanga no mipetraka ny barazy ; Ohatra raha ny lalam-pirenena faha 7 dia any Tsinjony no misy ny barazy, raha amin'ny RN4 kosa dia any Ramala ny barazy. -Voalaza manarak'izany ny mahakasika ny fivezivezen'ny razana, ka nambara mazava fa raha matin'ny Covid-19 ny olona iray dia efa misy ny fepetra mifanaraka amin'izany ny andevenana iny olona iny eo an-toerana ihany, ary ny isan'ny olona manatrika ny fandevenana aza dia efa voafaritra avokoa, tsy mihoatra ny 10.
    Lire la suite ...
    • mardi, 06 avril 2021 19:33

    Covid-19 : Olona 3 no lavo, 271 manana fahasarotana ny 05 aprily 2021

    Miisa 165 ireo olona vaovao voatily fa mitondra ny tsimok'aretina coronavirus ny 05 Aprily 2021 tamin'ny fitiliana niisa 528 natao, izay mitsinjara ho : Analamanga 118Atsinanana 5DIANA 22Alaotra Mangoro 2Haute Matsiatra 1Boeny 2SAVA 2Atsimo Andrefana 4Analanjirofo 6Androy 3
    Lire la suite ...
    • lundi, 05 avril 2021 20:02
    • Sary ZP

    Ambohibao Antehiroka : Tovovavy sakaizam-bazaha, niharan’ny fanolanana nihatra aman’aina

    Fanairana avy amina olona tsara sitrapo no nanokafan’ny zandary fanadihadiana avy hatrany. Nisy vazaha teratany frantsay, niantso an’ity olon-tsotra ity mba hanampy azy hibata sy hanary faty any Toamasina ny 3 aprily 2021. Nampiahiahy ilay olona izany antso izany, ka nampandre ny zandary avy hatrany izy. Tonga teny Ambohibao - Antehiroka Distrika Ambohodratrimo misy ny toeram-ponenan’ilay vazaha ireo mpanao fanadihadiana. Nisokasokatra ny varavarana. Nilaza ilay vazaha fa misy faty ao an-tranony. Niroso tamin’ny fisavana trano, araka ny fanomezan-dalana avy amin’ny Fitsarana ny zandary.Efitrano fatoriana nikorontana, misy dian-drà, ary nahitana “fusil à pompe” miaraka amin’ny bala maromaro no hitan’izy ireo.
    Lire la suite ...
    • lundi, 05 avril 2021 19:58

    Ampampamena Ambanja : Voasambotra ireo dimy lahy nandroba sady nandratra mpivarotra enta-madinika

    Notafihin’ny andian-jiolahy mitam-piadiana ny mpivarotra enta-madinika iray tao Antanamazava, Fokontany Ampampamena, Kaominina Maherivaratra, Distrika Ambanja ny harivan’ny 3 aprily 2021. Naratra teo amin’ny lohany nandritra izany ny lehilahy tompon-trano tokony ho 57 taona. Lasan’ireo jiolahy ny lelavola 1 200 000 Ariary sy entam-barotra maromaro. Roso tamin’ny fikarohana ireo olon-dratsy avy hatrany ny zandary avy ao amin’ny Poste fixe Maherivaratra vao nahazo fampandrenesana, niaraka tamin’ny Fokonolona. Voasambotra ny tovolahy iray, 21 taona, iray tamin’ireo nanao fanafihana. Nahatratrarana fonosana sigara niisa 36 sy mena-bolo niisa 6, ary koa kiraro tany aminy, izay isan’ireo entana halatra avokoa. Ilehio indray no nanoro ireo namany, ka dia nisy efatra hafa voasambotra, 18 ka hatramin’ny 37 taona izy ireo. Atao famotorana izy ireo ankehitriny, ary dia hatolotra ny Fampavoavana aorian’izay.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 05 avril 2021 19:39
    • Sary ZP

    Ampasamanatongotra- Miarinarivo : Fiara Peugeot 305 niharan-doza tao anaty ora-mikija

    Fiara kely Peugeot 305 iray no niharan-doza tao Ampasamanatongotra PK 99 amin’ny lalam-pirenena voalohany, Kaominina Miarinarivo II, Distrika Miarinarivo ny harivan’ny alahadin’ny Paka 4 aprily 2021 takariva raha hiazo an’Ampefy. Nanoram-baratra ny andro, ka tsy voafehin’ny mpamily ny fiara vokatry ny fandehanana mafy, ary dia nivoaka ny lalana ny fiara ka nivadika. Tsy nisy aina nafoy na koa naratra, fa tombanana eo amin’ny 70% ny fahasimban’ny fiara. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 05 avril 2021 19:35

    Covid-19 : Olona 2 lavo tao anatin’ny 24ora tao SAVA

    Lehilahy iray, 80 taona, no lavon’ny Covid-19 ny 02 aprily 2021. Notsaboina tao amin’ny CHRD Ambondrona Antalaha izy nanomboka ny 27 martsa 2021. Ny 1 aprily 2021 no voamarina tamin’ny fitiliana natao azy fa voan’ny Covid-19. Nodimandry ny 02 aprily 2021 izy. Namono olona telo tao amin’ny Distrika Antalaha ny Covid-19 hatramin’ny nidiran’io valanaretina teto Madagasikara, ary ity no faharoa lavo hatramin’ny fiandohan’ity taona 2021 ity. Tao Sambava indray dia lehilahy iray, 54 taona, mpiasan’ny Hôpitaly SALFA, no nodimandry ny 2 aprily 2021 andro nivalin’ny fitiliana natao azy milaza fa voan’ny Covid-19 izy. Notsaboina tao amin’ny CHRR Besopaka Sambava ity lehilahy ity. Nalevina ny andron’io ihany tao amin’ny Fasam-bahiny ao Menagisa Kaominina Sambava ny faty. Olona 07 avy amin’ny fianakaviany no nanatanteraka izany, teo ambany fanaraha-mason’ny mpitandro ny filaminana. Enina aminy no lavon’ity valanaretina Covid-19 tao anatin’ny Distrikan’i Sambava hatramin’ny nidirany teto Madagasikara, ary faharoa hatramin’ny fiandohan’ity taona 2021 ity.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 05 avril 2021 19:07

    Manompana- Soanierana Ivongo : Mpandraharahan’ny fonja nifaoka ka nahafaty zaza tamin’ny moto

    Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona tao Anove, amin’ny lalam-pirenena faha-5, Kaominina Manompana, Distrika Soanierana Ivongo ny tolakandron’ny 3 aprily 2021 lasa teo. Zazalahy kely, 3 taona, no voafaokan’ny moto nentina mpandraharahan’ny fonja iray miasa any Mananara Avaratra teo ampiampitàna ny arabe. Naratra mafy ilay zaza, ary nentina haingana tao amin’ny CSBII Anove. Tsy tana ny aina na natao aza ny vonjy aina.Tonga tao an-toerana ny zandary nijery ny zava-misy. Nentina nankao Soanierana Ivongo ilay mpandraharahan’ny fonja nisorohana ny fitsaram-bahoaka.Efa nalain’ny havany ny faty. Nosokafana ny famotorana noho ny loza niteraka faty olona.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 05 avril 2021 19:06

    Ankoronga - Toliara : Kamiao iray nahatratrarana hazo voarara

    Kamiao iray, nitondra karazan-kazo "Jambihy" izay ho voatsokajy ho hazo voararan'ny lalàna ny fanondranana azy no saron’ny zandary avy amin’ny BPR Toliara, tao Ankoronga PK 917, RN9 ny tolakandron’ny 03 aprily 2021. Vehivavy no tompon’ny hazo. Sady tsy manana fahazoan-dalana hitrandraka hazo no tsy manana fahazoan-dalana hitahiry hazo ary tsy manana fahazoan-dalana ahafahana mitondra ireo hazo izy. Nogiazina ambalam-pamonjana fiara avy hatrany ilay kamiao sy ireo hazo. Natazomina koa ny mpamily sy ny mpanampy ny mpamily ary ilay ramatoa tompon’ny hazo. Misokatra ny fanadihadihana miaraka amin'ny tompon'andraikitra ao amin'ny Fitaleavam-paritra ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy Atsimo Andrefana.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 04 avril 2021 17:33
    • Sary nomena

    Praiminisitra tany Mahajanga : Misokatra amin’ny fahafahan’ny rehetra mitsabo tena araka ny filany avy ny fanjakana

    Nidina tany Mahajanga ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny 03 aprily 2021, nisolo tena ny fitondram-panjakana, nijery ifotony ny zava-misy sy ny fiatrehana ny fifehezana ny valanaretina Covid-19. Nihaona tamin’ireo mpitantana sy solontenam-panjakana miasa eo anivon’ny Faritra Boeny ny delegasiona notarihiny, ary nandray ny tatitra momba ny fivoaran’ny valanaretina sy ny fitantanana amin’ny ankapobeny ny fandraisana an-tanana sy fitsaboana an’ireo marary, ary ny fahasalamam-bahoaka. Manoloana ny fihanaky ny Covid-19 dia nandray fanapahan-kevitra tamin’ny fampihatoana ny fivoahana sy ny fidirana ao amin’ny Faritra Boeny, mandritra ny fotoana voafetra, ny fitondram-panjakana, 12 andro lasa izay ; ary dia nisaotra ny vahoaka sy ny Faritra ny Praiminisitra noho ireo ezaka vita tamin’ny fanarahana ny fepetra maro isan-karazany napetraka. Notsiahiviny fa « mbola mitohy ny ady ataontsika amin’ity valanaretina ity ».
    Lire la suite ...
    • dimanche, 04 avril 2021 17:11
    • Sary nindramina

    Ady amin'ny Covid-19 - Ireo fepetra mihatra manomboka anio Alahady 04 aprily 2021

    Fepetra mihatra mandritra ny 15 andro manaraka, izay nambaran'ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina nandritra ny lahateniny : Fianarana : Mikatona mandritra ny 15 andro ireo sekoly rehetra sy ny anjerimanontolo.Mikatona tanteraka ny faritra Analamanga, Atsinanana, SAVA. Mbola mitohy hatrany ny fikatonan’ny faritra Boeny sy Nosy Be. Mihatra ny "couvre feu" amin'ireo faritra vaotonona etsy ambony manomboka amin'ny Alatsinainy 05 aprily 2021. Tsy azo ivezivezena amin’ny 09ora alina ka hatramin'ny 4ora maraina manomboka amin'io daty io. Misokatra andro aman'alina ny farmasia rehetra amin’ny Faritra Analamanga, Atsinanana, Boeny, SAVA, Nosy-Be. Omena alalana ny farmasia hivarotra ireo fanafody voafaritra ao anaty « protocole de traitement ».
    Lire la suite ...
Page 1 sur 228