Governemanta: Hasiam-panovana

  • jeudi, 20 août 2020 14:29
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Hampahafantarina eny amin’ny Lapam-pajakana Iavoloha amin’ny fiafaran’ity tolakandro ity ny Governemanta amin’ny endriny nasiam-panovana sy ireo mpikambana mandrafitra azy.

Araka ny Andininy faha-54 amin’ny Lalampanorenana dia ny filoham-pirenena no manendry ny praiminisitra atolotry ny antoko na vondron’antoko manana ny maro an’iasa eo anivon’ny Antenimieram-pirenena.

Araka ny tolokevitry ny praiminisitra dia ny filoham-pirenena no manendry ny minisitra ary koa mampitsahatra azy amin’ny asany.

Andininy faha-2 amin’ny Lalampanorenana indray manipika mazava fa tsy mahazo mitana andraikitra ambony anaty fiangonana ny lehiben’ny andrimpanjakana sy ny mpikambana anaty governemanta.

Ao amin’ny Andininy faha-64 no milaza fa tsy azo ampirafesina amin’ny asan’ny olomboafidy ny maha mpikambana ao anaty governemanta.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.