Korea avaratra: Didian'i Kim Jong-Un ho anina ny alika

  • jeudi, 20 août 2020 14:27
  • Tigre
  • Sary nindramina fampiaingoana

Namoaka didy ny filohan'ny Korea avaratra, Kim Jong-Un, nanombaka ny volana jolay teo, fa voarara ny miompy alika ho namana an-trano, fa na amidy amin'ny mpanao sakafo, na aterina any amin'ny Zoo mpanjakana.

Ny fiompiana alika hoy hatrany Kim Jong-Un dia fanarahana ambokony ny fomban'ireo mpanambony saranga tandrefana.
Efa mitily ireo trano mbola miompy alika ny fitondrana koreanina avaratra, ka tereny vonoina ny alika, na ho entiny ankitsirano.

Ankehitriny moa dia tratran'ny fairano amerikanina i Korea avaratra, ka 60% n'ny mponina dia tsy ampy sakafo, raha ny tatitry ny firenena mikambana, ka ahian'ireo tompon'alika fa entina amahana olana amin'ny tsy fanjarian-tsakafo izao fanapahan-kevitra izao.

Ny alika moa any Korea avaratra dia anisan'ny sakafo mafilotra ho anin'izy ireo.
Mampiaka-peo ireo mpiaro ny biby maneran-tany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.