Tselatra

    • samedi, 06 mars 2021 15:00
    • Sary nindramina

    Sary contre sary izany sisa izy ity

    Sary contre sary izany sisa izy ity  
    Lire la suite ...
    • samedi, 06 mars 2021 11:25
    • Sary nindramina

    Covid-19 : Miakatra ny tahan’ireo mitondra ny valanaretina eto Madagasikara

    Tsikaritra tato ho ato fa misy fiakarany ny tahan’ireo mitondra ny valanaretina Covid-19 eto Madagasikara, araka ny tati-baovao nataon’ny avy eo anivon’ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka. Paik’ady apetraka manoloana izany ny fizarana CVO, ka any amin’ireo faritra ahitana fiakaran’ny taha no hanombohana izany, anisany ny eto Analamanga.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 06 mars 2021 09:16
    • Sary Satelita 06 marsa 2021 - 10h30

    Hivoaka an-dranomasina afaka fotoana fohy ao Mahanoro ny sisan'ilay androa ratsy

    Toetr’andro : Hivoaka an-dranomasina afaka fotoana fohy ao Mahanoro ny sisan'ilay androa ratsy. Mbola mitoetra any amin'ny faritra Avatra sy Avaratra-andrefanan'ny Nosy ny Talio. (Sary Satelita 06 marsa 2021 - 10h30)  
    Lire la suite ...
    • samedi, 06 mars 2021 09:06
    • Sary : César Mamizafy

    RN1-bis Tsiroanimandidy - Maintirano

    RN1-bis Tsiroanimandidy - Maintirano Sary : César Mamizafy
    Lire la suite ...
    • samedi, 06 mars 2021 09:01
    • Sary nindramina

    Antananarivo Renivohitra : Polisy monisipaly ary mpamonjy voina 150 naseho ambany faneva

    Tontosa ny zoma 05 marsa ny fandraisana eo ambany fanevam-pirenena ireo Polisy monisipaly 100, ary mpamonjy voina 50, taorian’ny fiofanana narahin’izy ireo herinandro maromaro. Hiasa ho an’ny mponina sy ny tanànan’Antananarivo izy ireo hanatevin-daharana sy hifanampy amin’ny fandaminana ary ny fampandrosoana ny tanàna. Niara-nientana sy nifanome tanana tamin’ny fanomezana fanofanana ara-miaramila azy ireo ny Etat Major ny Tafika Malagasy, ny Tafika an-tanety, ny 3ème Régiment du Génie.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 05 mars 2021 21:08
    • Sary nindramina

    Aéroport Fascène Nosy-Be : Volamena 190,63 g tratra saiky havoaka an-tsokosoko

    Nasisika tao anaty vatoaratry ny Power Bank ireo volamena 190,63 g tratra ireo. Lehilahy teratany karana iray handray zotra miazo an’i Addis Abeba omaly tolakandro no nitondra azy. Anatin’ny fanadihadiana ny raharaha amin’izao. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 04 mars 2021 20:31
    • Sary nindramina

    Befelatanana : Nesorina tsy ho tale ny Pr Mamy Randria

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka dia voatendry ho Tale misahana ny « Centre Hospitalier Universitaire Joseph Raseta Befelatanana » Ramatoa RAHARIVELO Adeline. Natsahatra amin'ny asany arak'izany ny Pr Mamy Randria.Hita farany teny amin'ny fitokanan'ny Filoham-pirenena ny radiothérapie an'ny HJRA izay ao Befelatanana ity tale ity. Anisan'ireo mpitsabo niatrika ny Covid-19 ity talen'ny Hopitaly Befelatanana ity.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 03 mars 2021 15:39
    • Sary Gasypatriote

    Oniversité Antananarivo Ankatso : Ahoana tsara moa ity tany lasan'olona ity

    Mbola kely izahay, nanomboka teo amin'ny fiakarana 3 chemins io dia efa nisy vavahady, nisy gardien, ary voasava karatra izay hiditra eo. Mbola feno ala sapin io Ankatso io tamin'izany, ary hifanenjehana amin'ny gardien ao mihitsy ny maka sapin de noël tao tamin'izany. Ankehitriny, trano mijoalajoala, mpanao bizina fanafody, jerem-potsiny, ny tany rehetra samy mamefy ny azy ao anaty enceinte universitaire. Ny bar sy karaoke eny anelakelan-tranon'ny CUR moa tsy resahina intsony. Mbola misy mpitantana ve eny ? Misy service domaine manao mutation ve ? Misy permis de construire ve ?Ny jiron'ny Jirama aza moa eny no miainga taritina ary akana vola amin'ny manodidina eny mihitsy. Etsy ankilany anefa ny tranon'ny mpianatra zara raha trano, ny wc aza dia anarany fotsiny ny an'ny maro, tsy misy fanorenana hafa intsony, ny eo tsy misy fanavaozana. Izay manana trano mamarotra ny fidirana ao rehefa hiala. Betsaka ireo tsy tokony hipetraka amin'izany fa mbola mibodo ao hatrany, nefa efa manam-bady aman-janaka, efa miasa mihitsy aza ny sasany. Patrick  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 03 mars 2021 13:19
    • Sary OMS

    Angola : Tonga ny 624 000 dozim-bakisiny Covid-19

    Tonga any Angola ihany koa ny dozim-bakisiny 624 000 isa hiarovana amin'ny Covid-19. Atao laharam-pahamehana amin'izao andihany izao ireo olona marefo sy ireo mpiasan'ny fahasalamana. Fiaraha-miasa amin'ny OMS sy Angola izao. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 03 mars 2021 13:00
    • Tahirin-tsary nindramina

    Bois de rose bolongany 3 dia mahavita bourse mpianatra

    Isika manana stock efa tapaka mitentina 4 milliard de dollar, tena tsy azoko tsy amarotana an'ireo efa tapaka ireo, dia ferana tsy misy mahazo manapaka hafa intsony, ary mamboly zanaka bois de rose mihitsy aza no tokony imasoana. Sa aleo lo toy izay an-kavana? Misy mitetika ny haka ireo bois de rose ireo amin'ireo mpandraharaha manana stock ara-dalàna manko no tena kajy ao ambadik'izy io, dia izy no hisera azy, dia fanonerana kely no atao an'ireo mpandraharaha izay manana fahazoan-dalana ara-dalana ireo. Patrick    
    Lire la suite ...
Page 1 sur 623