Sociale

    • mardi, 06 avril 2021 09:15
    • Tahirin-tsary nindramina

    Covid-19 : Ela loatra ny valin'ny fitiliana PCR

    Na ho an'ny marary, na ho an'ny orinasa mampiasa ireo mpiasa ahiana voan'ny aretina Covid-19, dia mametraka olana ny fahelan'ny valin'ny fitiliana, ankoatran'ny vola izay mivoaka ao anatin'izany. Ireo mpandeha mivoaka any ivelany, na ireo manainga amin'ny fiara-manidina anatiny na ivelany, dia takiana ny 72ora valin'ny fitiliana izay andovanm-bola hatrany amin'ny 100 000ar, ary averina indray izany fiiliana izany, ary miverina mandoa vola raha nofoanana na nahemotra ny sidina. Ny an'ireo ananana ahiahy fa marary, na ireo olona manodidina azy, na ireo cas contact kosa, dia mampitebiteby ny saina ny fiandrasana ny valin'ny fitiliana izay maharitra hatrany amin'ny 2 herinandro be izao, misy aza moa no tsy mahazo hafatra miafina amin'ny sms akory. Velom-panontaniana izany ireo mpampiasa, satria ilay mpiasa ahiana ho marary tsy azo ampidirina miasa, ireo manodidina azy koa ahiana hitondra aretina aty am-piasana, ny karaman'ny mpiasa anefa tsy maintsy aloa. Maro ireo tsy manana congé intsony, dia atao ahoana, na ny asa tsy mandeha, ny valin'ny fitiliana efa ho iray volana tsy mipoitra, ny aretina efa mihombo raha sanatria ka tena marary marina. Tsy lazaina intsony ny hoe, betsaka koa no faux négatif, na ireo voalaza fa tsy mitondra valaneritna, natao matetika ny fitiliana, nefa dia marary…
    Lire la suite ...
    • vendredi, 02 avril 2021 14:21
    • Sary nindramina

    Fahasalamam-bahoaka : Nanamafy ny fanjakana fa voarara ny fanaovana dokambarotra sy fivarotana fanafody tsy nahazoana alalana

    "Fanafody azo antoka no atolotra ny vahoaka fa sarobidy ny aina", koa raràna arak'izany ny fanaovana dokambarotra amin’ny endriny rehetra sy fivarotana fanafody tsy nahazoana alalana avy amin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka. Manamafy izany ny naoty laharana 140/MSAN/Ministre, tamin'ny 10 Aprily 2019, izay mandrara ny fanaovana dokambarotra mikasika ny fitsaboana, araka ny fanamafisana nataon’ny avy amin’ny Fitaleavana misahana ny Farmasia, laboratoara, ary ny fitsaboana nentim-paharazana ("Direction des Pharmacie, des Laboratoires et Médecines Traditionnels" DPLMT ) eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
    Lire la suite ...
    • mardi, 30 mars 2021 08:45
    • Sary nindramina

    African Academy of Sciences : Miisa dimy ny Malagasy mpikambana

    Niampy telo ny Malagasy mpikambana ao amin’ny African Academy of Sciences (AAS), araka ny fampahafantarana nataon’ny profesora Ratsimbazafy Jonah. Tsy iza ireo mpikambana vaovao ireo fa ny “docteur” isany Miora Ramanakoto, Naina Rakotosamimanana ary Luciano Michel Tantely. Mbola tanora vao misandratra eo amin’ny asa fikarohana ara-tsiansa avokoa izy telo mianadahy ireo. Tonga dimy izany ankehitriny ny isan’ny Malagasy mpikambana ao amin’ity rafitra akademisiana manana ny famirapiratany manerana ny kaontinanta afrikana sy eran’izao tontolo izao ity. Ny Malagasy mpikambana roa hafa ao dia tsy iza fa ny manam-pahaizana fanta-daza manerantany Raoelina Andriambololona sy Ratsimbazafy Jonah.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 25 mars 2021 17:33

    Fimailo : Ny faritra atsinanana no anisan'ny mpanjifa be indrindra

    Nanaitra ny teo anivon'ny sehatry ny fahasalamana ny fahitana ny fanjifana maro be ny fimailo na capote taty amin'ny faritra atsinanan'ny Nosy. Nidina taty an-toerana mihitsy ireo mpanara-maso eo anivon'ny fahasalamana. Ankoatran'ny fampiasana ny fimailo amin'ny firaisana ara-nofo, dia hita fa ampiasain'ny olona maro, indrindra ny any ambanivolo, hiarovana ny lampe de poche apetaka amin'ny loha ireny ilay fimailo mba tsy ahalena ny orana ilay jiro fanazavana amin'ny alina. Faritra manoran-dava moa ny aty atsinanana. Ao rahateo ny mampiasa ny menaka ao anatin'ilay fimailo atao amin'ny volo, raha ny voalazan'izy ireo dia mampaniry volo ilay menaka, mampalama ny filahiana ao anatiny iny. Fanaon'ny miaramila tany ivelany rehefa miady moa ny manarona ny vavabasy amin'ny fimailo tsy hidiran'ny rano ny basy.Misy ihany koa ny mampiasa azy ireny anaronana ny lohan'ny antenne parabolique hiarovana azy amin'ny ranon'orana, na dia efa natao ahazaka orana aza ireny fitaovana ireny.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 20 mars 2021 12:44
    • Sary nomena

    Vohitra Misandratra Ambolomanjakarivo : Nahazo ivo-toeram-panofanana

    Notokanana tamin'ny fomba ofisialy, nandrita ny fankalazana ny Taom-baovao Malagasy ny 14 martsa ny ivo-toeram-panofanana arakasa "Soa Mahamanina" ao Vohitra Misandratra Ambolomanjakarivo, Distrikan'Itasy. Nilaza ramatoa Volanirina ANDRIAMANANORO, filohan'ny fikambanana DEFI, tompon'antoka amin'izao fampijoroana ny toeram-panofanana izao, fa zava-dehibe ho an'ny tanora ny fianarana asa, fambolena sy fiompiana, fianarana ny teknolojia, ny informatika, fianarana mahandro sakafo, fianarana zaitra sy asa-tanana, fianarana mandrafitra sy tao-trano, eny hatramin'ny fifehezana teny vahiny maromaro. Izany no antony nananganana izao ivotoeram-piofanana izao amin'ny maha Vohitra Misandratra ety Ambolomanjakarivo. Ka ahitana trano moderina, efitra malalaka sy toeram-piofanana manaraka ny fenitra takian'izany, ka azo hitarina arakaraky ny filan'ny faritra hoy ny Tale Jeneraly misahana ny Tetikasan'ny Filoham-pirenena, DGPP, Augustin Andriamananoro.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 12 mars 2021 20:04
    • Sary nomena

    Ady amin’ny Covid-19 : Nanolotra fitaovana fiarovan-tena ho an’ny Mpiasan’ny fahasalamana ny Amerikana

    Nahazo fitaovana fiarovan-tena avy amin’ny governemanta amerikana ny mpiasan’ny fahasalamana any amin’ny faritra miisa 13 ahitana ny Covid-19 eto Madagasikara. Fitaovam-piarovana manokana (EPI) hitandroana ny fahasalamany sy hanohizany ny asa fitsaboana ataony ho an’ny mararin'ny Covid-19 no azon’izy ireo tamin’izany. Ny United States Africa Command no namatsy vola ireo fitaovam-piarovana ireo izay vita eto an-toerana avokoa, raha toa ka ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka malagasy no namantatra ireo faritra handray izany.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 10 mars 2021 19:34
    • Sary Njaka

    FITRAMA : Nanolotra vokatra vaovao avy amin'ny "Kelimavitrika"

    Anisan'ny miteraka olana goavana eo amin'ny fiainan'ny mpivady, ary miafara amin'ny fisarahana mihitsy ny tsy fahampian'ny hery hoenti-miatrika eo amin'ny sehatry ny firaisana ara-nofo hoy Andriamatoa Jean Nirina Rafanomezantsoa, mpikambana ao amin'ny FITRAMA. Koa misy ny vokatra vita avy amin'ny zava-maniry antsoina hoe "Kely mavitrika" izay mampilamina sy mandrindra ny olana manakatsakana mety tsy ahavitàna antsakany sy andavany ny firaisana ara-nofo eo amin'ny mpivady na ireo olon-droa.
    Lire la suite ...
    • mardi, 09 mars 2021 16:14
    • Sary nomena

    Andron’ny Vehivavy tao Brickaville : Notsaroana manokana i senatera Razafindratovo Ravololonirina Emilie

    Nankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon'ny Vehivavy ny teto Brickaville. Maro ireo fikambanam-behivavy nandray anjara tamin’izany, toy ny Fanevan'ny Distrika, izay tarihin'ny vadin'ny lehiben'ny Distrika, Zanaka ampielazana Andovoranto, ny fikambanam-behivavy avy ao amin'ny Kaominina Andovoranto, ary ny avy ao amin'ny Fokontany Ambodivoara. Nandray anjara, niara-nankalaza ny 8 marsa ity ihany koa ny Fikambanana "AMbanivolo MIakatra (AMMI)". Noventesina tamin'izay ny vehivavy mizakatena sy mikajy ny tontolo iainana ary milamina, ka mitsinjo ny hoavin'ny taranaka. Nihaona sy nitafa tamin'ireo fikambanam-behivavy ireo ny filohan'ny Fikambanana AMMI, Rakotomamonjy Jean Rodriguez.
    Lire la suite ...
    • lundi, 08 mars 2021 19:02
    • Sary Njaka

    Antetezana afovoany : Vehivavy 50 nisitraka fanampiana avy amin'ny CENAM

    Vehivavy sahirana miisa 50 tao amin’ny fokontany Antetezana afovoany voalohany no nisitraka fanomezana toy ny vary sy siramamy avy amin’ny fikambanan’ny mpivarotra sy mpanao asa tanana CENAM. Nofantenana manokana ireo vehivavy tena sahirana tao amin’ity fokontany ity izay nanaovana fidinana sy fijerena ifotony isan-tokatrano hoy ny filoham-pokontany Antetezana afovoany voalohany . Marihana fa tamin’ny alalan’ny tsipaipaika no nanatanterahan’izy ireo izany fanomezana izany ka nahatratra roa alina sy dimy hetsy ariary (520 000ar) ny vola voahangona tamin’izany. Tafiditra ao anatin’ny fanakalaza ny andro manerantany ho an’ny vehivavy ity hetsika ity. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 28 février 2021 19:22

    Sigara sy paraky : Mamono Malagasy 8️ 3️0️0 isan-taona

    Tena mamono olona maro eto Madagasikara, nefa tsinontsinoavin’ny olona ny aretina ateraky ny fifohana sigara sy ny fihinanana paraky. Araka ny atontanisa navoakan’ny OMS Madagascar ️dia Malagasy 8 3️0️0 isan-taona eo no maty vokatr’ireo. Fahatapahan’ny lalandra, homamiadan’ny havokavoka na aretin’ny taovam-pisefoana ho an’ny olon-dehibe. Miteraka zaza saozanina ho an’ny vehivavy bevohoka ary koa zaza maty tampoka. Ny 2️7️ febroary 2️0️0️5️ i Madagasikara no nankatoa ny fifanarahana ara-pahasalamana, miaraka amin’ny OMS iadiana amin’ny voka-dratsin’ny fifohana sigara sy ny fihinanana paraky.  
    Lire la suite ...
Page 1 sur 230