Filtrer les éléments par date : lundi, 01 mars 2021

Pilo kely : Tsy laharam-pahamehan'ny fitondrana ankehitriny ny fiarovana sy ny fitrandrahana ny harena ankibon'ny tany

Nahena ny teti-bolan'ny ministeran'ny harena ankibon'ny tany, mitentina 21 miliara ariary monja izany amin'ity taona 2021 ity, ka 14 miliara natokana fampandehanan-drahara, ary 2.6 miliara ariary monja ny fampiasam-bola na investissement.

192 miliara ariary ny Présidence
264 miliara ariary ny Primature
2 474 miliara ariary ny an'ny ministeran'ny teti-bola.

Tafandria mandry e
Patrick

 

Publié dans Pilo kely
lundi, 01 mars 2021 19:40

MFM : Nanantanteraka fivoriam-be

Notanterahana tetsy amin’ny foibe toerany tetsy Ampefiloha Antananarivo ny filankevitry ny foibe MFM.

Niainga tamin’ny TENIERANA hifampitondràna ny fehin-kevitra niarahana tamin’ireo mpizaika manerana ny faritra 23.

Nisy araka izany ny fitsinjarana andraikitra mba hampandeha bebe kokoa ny asan’ny antoko.

Nanome fahefana ho an’ny tompon'andraikitra isam-paritra ihany koa ny foibe MFM mba hifanentana sy hamory ireo olona izay efa nandalo teo amin’ny MFM, ary hiantso ny hery velona rehetra isam-paritra mba hirotsaka sy handray anjara ao amin’ny MANDATEHEZANA.

Publié dans Politique

Tafaporitsaka indray i Del Kely, lehiben’ny dahalo raindahiny voatonona amina fanafihana mitam-basy sy fakana ankeriny amin'iny Faritra Betsiboka iny.

Anisany tompon'antoka tamin’ny fakana ankeriny na kidnapping nitranga tao Beanana Kaominina Ambakireny izy.
Vokatry ny fifanomezan-tanana teo amin’ny Fokonolona sy ny zandary ary ny miaramila avy ao amin'ny 322ème Compagnie Ambakireny dia nisy ireo voasambo-belona ka vehivavy ny roa taminireo, sakaizan'ireo dahalo, raha tafa-poritsaka niaraka tamin’i Del kely lehiben'ny dahalo ny vehivavy roa ambiny.

Nisy dahalo lavo tao anaty fifandonana.
Niampy iray ny basy azo teny an-tanan'ny dahalo ary fantatra fa mbola misy kalach eny ampelatanan'ireo tafaporitsaka.

 

Publié dans Vaovao

01 mars : Journée mondiale du compliment.

 

Publié dans Fil info

01 mars : Journée mondiale de la protection civile.

 

Publié dans Fil info

Nanao taratasy fampahafantarana ny Ben'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra ny fikasany hanao an'i Behoririka ho tanàna manokana ho an'ny Sinoa, na "China Town malagasy".

Publié dans A la Une