Pilo kely : Izay nandia ny oniversité dia tokony hanaja ny foto-pisainana mandrafitra ny oniversité
Filozofika aloha ny Oniversité fa tsy trano, rindrina, sy table banc na bourse.
Ny oniversité dia toerana handrafetana ny foto-pisainana sy fikarohana tsy misy fetra, ka manaja ny etika sy ny mahaolona, ny fahamarinana ary ny fanajana lalàna.
Toerana itoeran'ny fahalalahan-tsaina. Izay no ilazana azy hoe Univers. Ary izay no mahatonga ny toerana arovana tsy hidiran'ny mpitandro filaminana na hery famoretana.
Arovana izay fahalalana ara-tsaina tsy misy fetra izay. Izay no mampisy ny hoe Anjerimanontolo.
Foto-pisainana aloha izany ny Oniversité vao trano sy bourse.
Misy fiantsoana ireo sampana ao anatiny hoe "Faculté", izay midika hoe " Fahafaha-manao, fahaiza-manao".
Ny zavatra rehetra atao eny amin'ny Oniversité izany dia tokony hifanentana amin'izay toe-tsaina mifototra amin'ny fahatsarana sy fahamarinana ary fanarahan-dalàna sy fenitra izay avokoa.
Marovoay : Tratra ambodiomby ireo mpandroba sy mpanolana
Tra-tehak'ireo miaramila avy amin'ny Holafy faha 406 1/RM4 teo am-pandrobana sy fanolanana i Garabavy sy Dada, ny 03 janoary 2021 tokony ho tamin'ny 05 ora sy sasany maraina, tao amin'ny Fokontany Miadana, Kaominina Marovoay.
Dahalo rain-dahiny sy mpilalao ody izy ireto ka mbola tratra teny amin'izy ireo ny mohara sy ny basy vita tanana.
Fifidianana Loholona : Amin'ny alakamisy izao ny vokatra ofisialy
Hotanterahina etsy amin'ny efitrano malalaky ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana ny alakamisy 07 Janoary 2021 amin'ny 10 ora maraina ny lanonana ara-pitsarana hanaovana ny famoahana amin'ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana Loholona.
Miisa 12, ka 2 isaky ny Faritany, ireo Loholona nofidiana ny 11 desambra 2020 ka nandraisan'ireo mpifidy vaventy niisa 12 465 anjara.
2021 : Année internationale de l'économie créative
2021 : Année internationale de l'économie créative pour le développement durable.
4 janvier : Journée mondiale du braille
4 janvier : Journée mondiale du braille.
Soavinandriana Itasy : Oniversité inona no ajoro
Oniversité no amboarina amin'io, na ny panneau de chantier aza tsy misy lohany sy vodiny, aiza moa no hisy firenena androso amin-javatra goragora sy alasafay toa izao, na ny daty anombohana ny asa tsy misy, ny orinasa mpanara-maso ny asa tsy misy, ny mpamatsy vola, ny teti-bidin'ny asa moa dia efa natao nahazatra ny tsy fametahana azy.
Vao miainga ny cahier de charge dia efa zero, ka asa Oniversité inona no ajoro eto.
Mirary soa e.
Patrick