Gôly Be : Tonga ao Mahajanga ny nofo mangatsiakany
Nigadona androany Alatsinainy 25 Janoary tolakandro tao Mahajanga ny nofo mangatsiakan'i Rafalimanana Ferdinand na Gôly Be.
Nisy fitsenana ny razana teny amin’ny PK18, Croisement Boanamary nataon'ny Manampahefana, mpitantana ny kitra, mpakafy sy mpiara-milalao baolina fahiny taminy.
Nivantana ao amin’ny Complexe Sportif Ampisikina ny faty ary iaretan-tory ao anio alina.
Rahampitso Talata 26 Janoary dia entina eny amin’ny stade Rabemananjara, mialohan’ny hiaingana ho any Mandritsara, faritra Sofia, toerana izay handevenana an' i Gôly Be, mpilalao baolina kitran’ny FCO Mahajanga sy ny Club M fahiny.
(Jereo Sary Tohiny)
Majunga nahazo kalizy, tia famatra ein
Pilo kely : Majunga nahazo kalizy, tia famatra ein
Bonne nuit nareo Sotema, draiky Amborovy agny, mody aloha avy amin'ny bord, tsao tara bus
Patrick
Fanambaran'ny FFKM mikasika ny raharaham-pirenena
Fanambaran'ny FFKM mikasika ny raharaham-pirenena nandritra ny fanompoam- pivavahana natao omaly faha 24 Janoary 2021 tao amin'ny Fiangonana FLM Ambatovinaky.
(Jereo Sary Tohiny)
Fantatrao ve : Ny lalan'io vary io vao tonga eny ambiliha
Ny vary no foto-tsakafon'ny Malagasy, inona avy ny lalana ahatongavan'izany hatreny ambilha.
Efa noresahatsika teto ny fahasahiranana rehetra amin'ny fambolem-bary, ny masokarenan'ireo tantsaha :
1 - Ohatrinona ny lany amin'ny tanim-bary 1ha
- Mikarakara ny tany sy mamadi-bainga : 150 000ar
- Zezika : 20 000ar
- Karaman'ny mpiasa : 6 000ar miampy sakafo isan'andro, 5 lahy, 10 vavy mpanetsa 5 000ar x 5 andro = 150 000ar + 250 000ar + sakafo 100 000ar = 500 000ar
- Fanafody mamono bibikely : 30 000ar
- Mandidy vary : 100 000ar
- Mively vary : 100 000ar
- Mikororoka vary : 100 000ar
- Kojakoja lany, fanamboarana angady, angadin'omby na kubota : 100 000ar
- Fitotoam-bary : 100ar/kg raha entina ny apombo, 50ar kosa raha ajanona ny ampombo : 200 000ar/2tonnes
Totaliny 1 300 000ar/ha amin'ny vary akotry 2tonne/ha na vary 1.2tonne vary fotsy.
Dar es Salam-Nosy Be : Lehilahy iray maty tototry ny tany, iray hafa naratra
Nihotsaka tampoka ny tany teo amin’ny toeram-pamakiana vato eo Tsararivotra, Fokontany Dar es Salam, Kaominina Nosy Be ny atoandron’ny 23 janoary 2021.
Tovolahy roa, samy manodidina ny 20 taona, no tavela tao tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Avotra ny iray, saingy naratra ary nalefa any amin’ny hopitaliben’i Nosy-Be, fa ny faharoa kosa tsy tana ny ainy.
Nalain’ny fianakaviana ny faty taorian’ny fanamarinana nataon’ny mpitsabo sy ny Zandary avy ao amin’ny Brigady Dzamandzar.
(Jereo Sary Tohiny)
Ivato : Nirodana tampoka ny tambohon'ny 1er RFI
Nianjera omaly tokony ho tamin'ny 4 ora tolakandro ny tamboho lehibe an'ny toby miaramila 1er RFI Ivato.
Efa nanomboka tamin'ny taona 2019 ny mponina manodidina no nifampiresaka tamin'ny tompon'andraikitra nanao io asa io sy ny ao amin'ny RFI satria tena tandrevaka tanteraka ny nanaova ny asa.
Mihantona eo ambony tany fotsiny ny fototra, ny tamboho nefa avo be efa ho 3m.
Avy ny orana omaly dia izao niafara amin'ny fianjerany amin'ny andro mbola atoandro izao, fotoana mbola mahabe mpandalo.
Mahatratra eo amin'ny 100m mahery eo ny halavan'io rava io.
Voalaza fa ny Ministeran'ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy no tompon'andraikitra amin'ny fotodrafitr'asa.
(Jereo Sary Tohiny)
Famonoana sy fampandoalihana Zandary : Olona 18 no voasambotra tao Tanambao Besakay
Olona 18 no efa voasambotra voarohirohy tamin’ny famonoana Zandary sy fampandoalihana Zandary sy Ben'ny ala tao Tanambao Besakay, Distrika Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro.
Anisany voasambotra ilay vehivavy nanaparitaka ny sarin'ireo mpiasam-panjakana tamin'ny Tambazotra serasera.
Mbola karohina ireo nitsoaka.
(Jereo Sary Tohiny)