Filtrer les éléments par date : dimanche, 24 janvier 2021
dimanche, 24 janvier 2021 20:41

Mampamangy ianareo tantsaha mpamboly vary

Pilo kely : Mampamangy ianareo tantsaha mpamboly vary, fa ny fitondrana dia anafatra vary hatrany ka amidiny 500ar ny kapoaka, ianareo tsy afaka hivarotra amin'izany vidiny izany raha tsy hoe angaha hiditra fatiantoka.

Mazava be izany fa ny tantsaha karana any Inde sy Pakistan no tohanan'ny fitondrana.

Izahay hihinana vary gasy sy makalioka hatrany fa aza malahelo.

Tafandria mandry e.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Tonga eto Madagasikara androany atoandro ny nofomangatsiakan’i Rafalimanana Ferdinand na Gôly Be, mpiandry haraton’ny Club M taloha, nodimandry tany Bordeaux Frantsa ny 29 desambra 2020.

Misy ny fanomezam-boninahitra azy sy iaretan-tory ao amin’ny Kianja Mitafo Mahamasina.

Notoloran’ny fanjakana tamin'ny alalan'ny ministeran’ny tanora sy fanatanjahantena mariboninahitra « Chevalier de l'ordre du Mérite Sportif » izy, ho fankasitrahana ny asa vitany tao amin’ny ekipam-pirenena malagasy sy tamin’ny fiarovana ny voninahi-pirenena.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport

Nisy fahasimbana nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Eloïse ny fantsona be ao Besokatra Antsiranana. Tapaka ny famatsian-drano ny tanànan’Antsiranana vokatr’izany.

Nafarana any Antananarivo ny kojakoja ilaina amin’ny fanamboarana. Eo ampiandrasana ny fahavitan’ny asa hiverenan’ny famatsian-drano amin’ny laoniny dia nametraka vahaolana vonjimaika ny faritra DIANA.

Misy fiara be « citerne » mitety ny kartie mizara rano nanomboka omaly sabotsy, ary hitohy hatramin’ny alatsinainy 25 janoary 2021, ka ireo kartie be mponina sy tena sahirana amin’ny rano no natao laharam-pahamehana, dia Barman SCAMA, Ambalakazaha, Morafeno (Jerosalema), Ambohimitsinjo sy Ambalavola, Oniversite (Belle rose) ary Lycée Mixte.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

2968 ireo fitiliana vita teo anelanen’ny 16 ka hatramin’ny 22 janoary 2021. Ny 442 tamin’ireo dia voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina Covid-19, ka ato amin’ny faritra Analamanga ny 252 amin’ireo tranga vaovao ireo, ao Matsiatra Ambony ny 60 ary Atsinanana ny 55. Ifampizaran’ny faritra 12 ny ambiny.

Nisy 6 ireo lavon’io valanaretina io tamin’ity herinandro ity.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Tontosa io tolakandro io tao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina ny lalao famaranana niadiana ny tompondakan'i Madagasikara 2020.

Teo amin’ny sokajy lehilahy dia resin’ny ekipan'ny ASCUT Atsinanana tamin'ny isa 79 noho 67 ny GNBC Analamanga, ary dia voahosotra ho tompondakan'i Madagasikara.

Teo amin’ny zazavavy kosa dia ny ekipan'ny MB2ALL Analamanga no tompondakan'i Madagasikara 2020 rehefa nandavo ny SBBC Boeny tamin’ny isa 70 noho 56.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport

Tonga androany ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny sambo mitondra vary 7000 taonina, nafaran’ny fanjakana amin’ny alalan’ny SPM (State Procurment of Madagascar).

« Vary tsinjo » hanamaivanana ny fahasahiranan'ny mponina manoloana ny fiakaran’ny vidim-bary ireto tonga ireto ka hihazo avy hatrany an’Antananarivo, ary haparitaka amin’ireo faritany rehetra.

Hamidy 500Ar ny kapoakan’izany « Vary Tsinjo » izany eny anivon'ireo tsena eny amin'ny Fokontany.

Afaka roapolo andro dia ho tonga ny sambo faharoa hitondra 8500 taonina, ary hitohy hatrany isam-bolana ny fanafarana mandrapahamarin-toeran'ny vidim-bary.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Tonga nandray ireo fitaovana vaventy fanamboaran-dalana ahitana "niveleuses", "bulldozers", "compacteurs", "citernes" ary "chargeuses" tao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina, androany 24 janoary 2021, ny Filoha Andry Rajoelina.

Fanamby napetraka hoy i Andry Rajoelina ny tsy maintsy hanamboaran'ireo Governoram-paritra lalana 200km hatramin'ny 250km isan-taona. Ireo lehiben'ny faritra araka izany no tompon'antoka amin'ireo asa fanamboarana isaky ny faritra iadidiany.

Andiany voalohany ireo, ary ny faritra SAVA, Androy, Analamanga, Bongolava, Vakinankaratra, Boeny, Vatovavy Fitovinany ary Analanjirofo no hisitraka azy ireo.

Ireo andiany faharoa kosa dia higadona amin'ny volana martsa ho avy izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Nodimandry ny zoma 22 janoary 2021 Rabearimanana Michel Télésphore, mpilalao tranainy efa nandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy.

Teo anelanelan’ny taona 1969 hatramin'ny 1976 no tena nampisongadina azy. Mpilalao tao amin’ny 3FB Antsirabe sy ASPTT Antananarivo i Télésphore, nitana ny toerana vodilaharana havia, ary efa nandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy ihany koa.

Anisan'ny mpikambana teo anivon'ny Federasiona Malagasy ny Baolina Kitra ihany koa i Rabearimanana Michel Télésphore.

 

Publié dans Sport

Nisy fahatarany ny famokarana vary noho ny tsy fahampian’ny rotsak’orana. Ny vary aloha anefa, araka ny antotanisa avy eo anivon’ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, dia mizaka ny 10% ny fandaniana ara-bary manerana ny Nosy.

Fantatra fa hametrahana ny “brigade riz”, isaky ny faritra tena mpamokatra vary, izay teknisianina hanentana sy hitan-tsoroka ny mpamboly amin’ny lafiny teknika ary hanara-maso akaiky ny famokarana eto Madagasikara.

 

Publié dans Tselatra

Notokanana androany 24 janoary 2021 teto Tanambao Verrerie Toamasina ny toby famokarana herinaratra mandeha amin'ny herin'ny masoandro.

"Plaques solaires" miisa 5 580 no efa am-perinasa ao an-toerana izay manana tanjaka hatramin'ny 2MW, ary efa tafiditra ao amin'ny tambazotran'ny Jirama ho an'i Toamasina Voalohany nanomboka tamin'ny volana aogositra 2020.

Dingana voalohany izao notokanana izao, fa ao anatin'ny roa taona ho avy dia ho tafiakatra hatramin'ny 20MW ny ho vokarin'ity tobim-pamokarana ity, izay hanome fahafaham-po ny filàna tokantrano miisa 30 000 ho an'i Toamasina I sy II.

Nanome toromarika entitra ho an'ny orinasa Jirama ny Filoha mikasika ny fampidinana ny saran'ny jiro sy rano. "Mila manatsara ny tolotra omeny ny Jirama. Mila tsinjovina ny fahefa-mividin'ny vahoaka. Herinaratra ho an'ny rehetra amin'ny vidiny mirary no tanjona ", hoy ny Filoha Andry Rajoelina.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Economie
Page 1 sur 2