Filtrer les éléments par date : samedi, 23 janvier 2021
samedi, 23 janvier 2021 20:41

Pilo kely : Papa mikepoka ny karaman-janany

Manan-janaka 6 mianadahy Ray aman-dreny iray, samy miasa izy 6 ireo, ary samy manana ny tokatranony sy ny vady aman-janany fa miara-monina anaty tamboho iray lehibe aby.

Rehefa faran'ny volana dia alefa any amin'ny kaonty bankin'izy mivady Ray aman-dreny avokoa ny karaman'izy 6 mianadahy zanany ireo.
Rehefa andoa hofan-trano sy écolage amin'izay ireto tokatrano 6 ireto, dia miantso ny Ray aman-dreny dia mangataka vola andoavana hofan-trano sy écolage, mangataka ny atao sakafo, ny andoavana jiro sy rano, ny frais bus, ny fanafodin-jaza, ny hividianana akanjo fripy.

Ny lahimatoa matetika mitrerona dia mahazo tsikelikely eny ihany, satria mipetraka ao avaratry Papa, iretsy 5 ambiny miandry kely, omena tsindraindray eny, nefa i Papa amin'io mandeha V8, ary manana maitresse mihitsy aza.

Asa akory hozy ravinanto 6 aby ireo, miasa misasatra ho an'i rafazona.

Tafandria mandry e.
Patrick

 

Publié dans Pilo kely

Kamiao iray tapaka hisatra no nidofotra tamin’ny kamiao mpitaona fasika nifanena taminy teo avaratr’Ambatofotsy, Atsimondrano, amin’ny lalam-pirenena faha-7 androany maraina.

Lehibe ny fahavoazana tamin’ireo fiarabe roa.
Tovolahy iray nitondra bisikileta, nanaraka avy ao aorianan’ilay kamiao nitondra fasika, no tafatsofoka tao ambany fiara rehefa niseho tampoka ny loza tsy azony nialana.

Voatsindry nanjary tohan'ny kodiarana aorianan'ilay kamiao be izy. Naratra mafy nifamonjena nentina namonjy hopitaly.

 

Publié dans Tselatra

Higadona rahampitso alahady 24 Janoary antoandro eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato Antananarivo ny nofo mangatsikan’i Rafalimanana Ferdinand na Gôly Be, ilay mpiandry harato malazan'ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny baolina kitra faha Club M.

Hisy fanomezam-boninahitra farany azy hatao ao amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina Antananarivo io alahady 24 Janoary io.

Ny Alatsinainy maraina no hiala eto Antananarivo ny faty hiazo an’i Mahajanga. Hisy fitsenana omanin’ny ao an-toerana eny amin’ny Croisement Amboanio, Mahajanga II ny Alatsinainy folakandro.

Hiazo ny Complexe Sportif Ampisikina Mahajanga I avy hatrany ary hiaretan-tory ao ny Alatsinainy alina.

Publié dans Sport

Fiara mpitatitra olona, manao zotra nasionaly, no nandrongatra avy eny ambony tetezan’i Tanjombato amin’ny lalam-pirenena faha-7, nitrongy ny arofananina ary latsaka tao amin’ny reniranon’Ikopa.

Omaly efa maizina no niseho ny loza. Tsy nisy aina nafoy, fa naratra no nisy, ankoatra ny fahasimban’ny fiara. Mpanampy ny mpamily no voalaza fa nitondra azy.

Iva dia iva ny haavon’ny ranon’Ikopa noho ny tsy fisian’ny orana ka tsy nampijoboka tao anaty rano ilay fiara.

 

Publié dans Tselatra

Hita harivan’ny 22 janoary 2021 tao Ankoriky Kaominina Ramena Antsiranana II ny vatana mangatsiakan’ilay vehivavy, iray tamin’ireo olona roa tao anatin’ilay fiara 4×4 lasan’ny rano tao Antomboka Namakia ny marainan’ny 19 janoary 2021 lasa teo raha avy any Antsiranana hiazo an’Andranovondronana nandritra ny andro ratsy.

Vehivavy handeha hitady drakatra no nahita ny faty.

Efa nalain’ny fianakaviany ny faty taorian’ny fanamarinana sy ny fizahana nataon’ny dokotera teo anatrehan’ny mpitandro ny filaminana.

Ny marainan’ny 21 janoary 2021 hita faty tao amin’ny seranan’ny orinasa iray mpamokatra sira ao Antsahampano, Antsiranana II ny tovolahy iray, 27 taona, namily ilay fiara 4x4 tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

23 janvier : Journée mondiale de l'écriture manuscrite.

 

Publié dans Fil info

23 janvier : Journée mondiale des solitudes.

 

Publié dans Fil info

Nandritra ny fiaraha-mivavaka Firaisampinoana tao amin'ny Lasapely Katolika Saint Luc Famindrampo an'Andriamanitra Befelatanana ny alakamisy 21 janoary 2021, dia nitambotsitra i mopera Rabenarivo Rolland, S.J. Aumonier n'ny hopitaly HJRA.

Nanao ny vavaka Firaisampinoana izy, ary anjarany ny nanao Ranombavaka, izay tokony ho fohy, fa somary lava ihany ny vavaka nataony, ary dia nofaranany tamin'ny vavaka fifonana, ary ny teniny farany dia hoe "TOMPO O" dia nitambotsitra izy ary niala ny ainy.

Publié dans Art et Culture