Filtrer les éléments par date : lundi, 18 janvier 2021
lundi, 18 janvier 2021 21:57

Pilo kely : Sekoly bidon jaune

Sekoly mitsinjo lavitra, avy mianatra, tsy mila mody fa avy dia matsaka mitondra rano.

(Sary nomena Mananjary)

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Pilo kely

Nivoaka io tolakandro io ny didim-panjakana Laharana faha 2021-060 manendry ny mpikambana notendren’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara eo anivon’ny Antenimierandoholona :

- Imbiki Herilaza
- Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana
- Andrianandrasana Hajaniaina Tahina
- Ndremanjary Jean André
- Tsiebo Mahaleo Richard Victor
- Ramanambitana Richard Barjohn

 

Publié dans Politique

Contrat Loon Inc - Aviation Civile de Madagascar

(Voir Photo Suite)

Publié dans Economie

Le Système des Nations Unies envisage de lancer un appel à l’aide d’urgence à l’endroit des partenaires et organisations philanthropiques en faveur du Grand Sud de Madagascar.

La cérémonie prévue à cette fin se déroulera lundi à partir de 10 heures au Carlton Anosy, Antananarivo.

Selon le Programme Alimentaire Mondial (PAM), un financement de 35 millions de dollars est requis de façon urgente pour faire éviter à Madagascar une crise humanitaire affectant 1,35 million d’habitants du Sud.

La situation dans les zones arides exposées à une sécheresse prolongée dans les régions Anôsy, Androy et Atsimo Andrefana en particulier est plus qu’alarmante.
Une grande disette s’annonce à l’horizon.

Publié dans Politique

Lasa rivodozaomaly alahady maraina ilay andro ratsy niforona tao amin’ny ranomasimbe Indiana ka nomena ny anarana hoe : « Eloise ».

Mikisaka haingana miakandrefana somary atsimo-andrefana i ELOISE tao anatin’ny 24 Ora farany.
Tamin’ny 09 Ora teo dia tany amin’ny 720 Km Atsinanana somary avaratra-atsinanan’Antalaha no nisy ny foibeny. Mahatratra 25 Km/ora ny hafainganam-pandehany, ary tsy niova ny heriny fa mitondra rivotra 65 Km/Ora sy tafiotra 90 Km/Ora.

Publié dans Tselatra

Araka ny nambaran'ny eo anivon'ny DRSP (Direction Régionale de Santé Publique) Analamanga dia afaka mandray ny olona rehetra izay misy soritr'aretina Covid-19 ireo CSB II miisa 8 eto Antananarivo Renivohitra dia :

- CSB 2 Isotry Central
- CSB 2 Ambohitsoa
- CSB 2 Ampasanimalo
- CSB 2 Antanimena
- CSB 2 Mahamasina
- CSB 2 Analamahitsy
- CSB 2 Amboniloha
- CSB 2 Ambohimanarina

 

Publié dans Tselatra

Olona enina (6) no namoy ny ainy vokatry ny Covid19 teto Madagasikara, teo anelanelan’ny 9 hatramin'ny 15 Janoary 2021.

Nisy tranga vaovao 300 tamin’ireo fitiliana niisa 2512 natao. Amin’ireo faritra 15 ahitana tranga, dia 6 no tsapa fa ahitana fitomboana dia Analamanga (183), avy eto Matsiatra Ambony (31), Vatovavy Fitovinany (18), Boeny (16), Anosy (12) ary Atsimo Andrefana (11).

Nisy olona iray tamin’ireo tonga avy any ivelany ihany koa voa, nosokajiana ho « cas importé ».
Tafakatra 18 301 ny isan'ny olona voa hatramin'izay nidiran'ny valan'aretina teto Madagasikara tamin’ny marsa 2020.

Niampy 162 ny isan'ireo sitrana, ka tafakatra 17 609 izy ireo.
419 ireo mbola manaraka fitsaboana.

 

Publié dans Tselatra

Fiara Peugeot 205 GTI iray no nifatratra tamin’ny andrin’ireny tambazotram-pifandraisana ireny ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady tokony ho tamin’ny 2 maraina tany ho any, teo Ampihaviana-Antsirabe.

Mafy ny dona ka nipitika any amin’ny 15 metatra any ilay fiara kely ary nivadibadika raha ny fahitana ny fahavoazana aminy.

Naratra mafy avokoa ireo olona tao anatiny raha ny filazan’ireo nanatri-maso, saingy tsy voafaritra mazava ny isany.

Mpitari-posy iray no nijoro vavolombelona fa hitany nivezivezy eran’Antsirabe ity fiarakely ity nanomboka tany amin’ny 11 ora alina tany ny sabotsy, ka lehilahy rasta no namily ny fiara niaraka tamina vehivavy vitsivitsy tao anatiny.

 

Publié dans Vaovao

Tsy nahita maso ilay fitaovana aho, eo ireo scientifique anamarina azy, fa ny fijeriko ny sary dia tsy anneau satellite izany io.

Ny Vaisseaux habités na ireny zanabolana misy olona ireny dia any amin'ny 200-800km miala ny tany, ny Satellite géostationnaire mampifandray antsika amin'ny téléphone ireny dia any amin'ny 35 000km miala ny tany.

Ny rivotra iainantsika anefa eo amin'ny 20Km eo fotsiny, ambanin'ny Strastosphère, ary mahatratra -56°C ny hatsiaka eo.

Betsaka ireo fako sy sattellite tsy miasa intsony no mifanaretsaka eny ambony eny, fa raha misy zavatra latsaka, dia mahatratra 2800°c ny hafanana rehefa hiditra ny rivotra iainantsika noho ny hafainganampandeha milatsaka sy ny fikasoka amin'ny rivotra.

Ka eto aho mahita amin'ny sary, tuyau plastique, sy kojakoja solaire, sy bidon, fil, panneau solaire izay tsy ahazaka velively na hatsiaka -50° raha nihoatra ny 20km ny haavony, ary indrindra moa raha anneau satellite no nilatsaka, dia nikarainkona toa ny kanety io vao tonga tety, tsy nisy dian'afo na ny kely aza io fitaovana io.

Publié dans Editorial