Asa fitaterana: Mila jerena izy ireo fa fototry ny fampandrosoana
Tena tsapako mihitsy io fahorian'ny mpitatitra io, satria na amin'ny andavan'andro aza dia efa kofona, maika tratra izao krizy izao, efa tao anatiny ny tena ka mahita izao fahoriana izao.
Miangavy ny fitondrana hijery manokana azy ireo, tsy resaka vatsy tsinjo, fa ny asa fitaterana mihitsy, na an-tanety, na anabakabaka, na an-dranomasina. Ny mponina mijaly mandeha tongotra, na ny hery fiarovana aza mihena amin'ny havizanana.
Fototry ny fampandrosaoana izy io, tafiditra amin'ny resaka fitaterana ny lalana, ny sécurité, ny mpandeha, ny varotra mifamezivezy, ny famokarana, ny fambolena sy fiompiana, ny fizahan-tany, ny fahasalamana, ny fampianarana, ny indostria, ny asa tanana.
Behara- Amboasary Atsimo: Zanak’omby roa ny lohany
Ombivavy iray no teraka kambana saingy sampona satria niraikitra. Iray ny vatan’ilay zanak’omby, efatra ny tongony saingy roa ny lohany. Maty ilay zanak'omby.
Tao Behara Amboasary Atsimo no nitrangan'izy ity ny faran'ny herinandro teo.
(Jereo Sary Tohiny)
Fandraharahana: Tsy voaloa ny fameranam-bola, ny banky tsy te halala
Maro ireo orinasa na olon-tsotra nitrosa vola tamin'ny banky na micro-cred, izay nametraka antoka, nefa noho ny fahamehana ara-pahasalamana sy ny krizy nateraky ny valan'aretina Covid-19, dia very asa, na mikatona ny orinasa, dia tsy voaloa ireo trosa eny anivon'ny mpampindram-bola.
Nisy ny kabarin'ny Filoham-pirenena ny ampiatoana ny fitakiana ireo trosa, nefa tsy narahina didim-panjakana izany, ka dia mody manao be marenina ireo banky sy micro-cred.
Betsaka ireo tompon'ny orinasa no kivy sy miraviravy tanana, tsy mahita izay ho sarangotina, fa dia miandry ny fidonany sisa, misy ireo mamoifoy mihitsy aza, mandraiky marary.
Alan’i Vohibola: Tra-tehaka ny hazo halatra an-jatony
Tra-tehaky ny fikambanana Razan’ny Vohibola ny hazo halatra maherin’ny 200 isa tany Tampina, Ambinaninony, Brickaville, ny tolak’andron’ny zoma 14 aogositra 2020.
Ahitana “bois ronds”, “bois carrés”… ireo hazo tsy ara-dalàna izay nalaina an-tsokosoko tao amin’ny atiala arovana ao Vohibola ireo.
Mponina eo an-toerana ihany no nahatratrarana ireto hazo halatra ireto.
Nampandrenesina ara-potoana mikasika ny zavamisy ny lehiben’ny “cantonnement” any Brickaville sy ny talem-paritry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy any Toamasina.
17 août: Journée internationale du chat noir
17 août: Journée internationale du chat noir.
Masay – Antananarivo: Saron’ny Polisy ireo mpivarotra basy, mpidoroka zavamahadomelina
Nanaovan’ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria Boriborintany faha8 Analamahitsy bemidina teny amin’ny rocade Masay iny. Nandritra izany no sarona ireo mpivarotra basy, mpidoroka zavamahadomelina ary koa ireo tanora mpitrifana amin’ny moto scooter. Miisa 13 no indray voasambotra.
Ambodivona-Antananarivo: Haintrano namoizana ain’olona
Nitrangana haintrano tetsy Ambodivona androany maraina. Lahy antitra iray 85 taona no tsy tafavoaka tao amin’ny trano, ka namoy ny ainy.
Faritra ATSINANANA: Fametrahana « PEPINIERE AGRICOLE » isaky ny Distrika
Fanambin’ny ekipan’ny Governora RAFIDISON Richard Théodore ny hametrahana « PEPINIERE AGRICOLE » isaky ny Distrika manerana ny Faritra Atsinanana. Ilaina tokoa mantsy izany amin’ny fanamby lehibe hanaparitaka voly avotra sy voly fanondrana isan-karazany sy hampitomboana ny velaran-tany voavoly.
Manomboka tsikelikely izany, ny DRAEP Atsinanana sy ny Sampana isaky ny Distrika koa moa efa nanomboka izany rahateo.