A la Une
-
- mercredi, 03 mars 2021 10:06
- Tigre
- Sary nomena
Vontovorona : Milamin-dratsy, oneran'ireo mpianatra ny latabatra tsenakely may
Nisy mpianatra 50 teo nivoaka ny faritry ny Polytechnique omaly hariva, nandrehitra kodiarana sy ireo hazo fanaovan'ny olona varotra legioma amoron-dalana, nametraka sakana tsy hidirana eny amin'ny faritry ny fampianarana.Lire la suite ... -
- lundi, 01 mars 2021 08:59
- Zakaria
Kaominina Antananarivo Renivohitra : Kasaina atao China Town i Behoririka
Nanao taratasy fampahafantarana ny Ben'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra ny fikasany hanao an'i Behoririka ho tanàna manokana ho an'ny Sinoa, na "China Town malagasy".Lire la suite ... -
- dimanche, 14 février 2021 16:26
- Tigre
- Sary nindramina
Etats-Unis : Afaka amin'ny fanenjehana famporisihina hioko i Donald Trump
Araky ny Lalampanorenana amerikanina dia najoro teo anivon'ny Loholona ny fitsarana ny filoha teo aloha Donald Trump, tamin'ny fanenjehana azy namporisika ireo mpomba azy hanani-bohitra tao amin'ny lapan'ny Kongresy, tamin'ny fotoana nanamarinana ny vokam-pifidianana ho Filoham-pirenena amerikanina ny 06 janoary 2021.Lire la suite ... -
- mercredi, 10 février 2021 18:28
- Tigre
Volamena 73.57kg : ABDUL Rahman Umer Saleh no anisan'ny ati-doha
Fantatra tamin'ny alalan'ny findain'ireo voarohirohy tamin'ity raharaha volamena 73.5kg ity, na dia noezahina nofafana aza ny sary sy ny fifandraisana, fa i ABDUL Rahman Umer Saleh, no anisan'ny ati-doha niketrika ity fanondranana antsokosoko ny volamena 73.5kg ity.Lire la suite ... -
- samedi, 06 février 2021 18:01
- Zakaria
- Sary nindramina
Kitra - Afrika : Afaka milatsaka ho filohan'ny CAF i AHMAD
Nilatsaka ny fanapahan-kevitry ny Kaonfederasiona Afrikanina ny baolina kitra, na ny CAF, fa mahazo milatsaka ho kandida amin'ny fifaninanana izay ho filohan'ny CAF i Ahmad AHMAD, izay filoha amperinasa teo aloha fa nosazian'ny Komitin’ny Etika eo anivon’ny Federasiona iraisam-pirenena ny baolina kitra na ny FIFA, ny 19 novambra 2020, tsy ahazo hiandraikitra ny raharaha baolina kitra mandritra ny 05 taona, miampy onitra 832 tapitrisa Ariary (185 000 Euros), noho ny resaka fanodinkodinam-bola miharo fanararaotam-pahefana no anisany niampangana azy.Lire la suite ... -
- lundi, 01 février 2021 07:13
- Tigre
- Sary fanehoana ny toerana
Sidina manokana : Nandray fepetra mety amono ny sehapihariana ny fitondrana
Taorian'ilay resaka volamena 73.5kg, dia nandray fepetra ny tompon'andraikitra eo anivon'ny seranam-piaramanidina Ivato mahakasika ny fivezivezen'ireo mpiasa misehatra eo anivon'ny fiaramanidina madinika tsy miankina (Compagnie avions légers) izay nanana vavahady nitokana teo aloha, izay mifanila amin'ny biraon'ny Adema, miditra aty ambadiky ny toby fitehirizan-tsolika Total (ankavia amin'ny sary).Lire la suite ... -
- vendredi, 29 janvier 2021 08:46
- Tigre
- Sary nomena
Antalaha : Migadona eto miaraka amin'ny angidimbin'ny Tafika ny minisitry ny mponina
Somary taitra ny rehetra nahita ny angidimbin'ny Tafika nibedana teto Ter1 EPP Belle rose Antalaha niany tokony tamin'ny 9ora maraina.Lire la suite ... -
- jeudi, 21 janvier 2021 09:15
- Tigre
- Sary nindramina
Etats-Unis : Vita fianianana i Joe Biden
Ny alarobia 20 janoary nanomboka tamin'ny mitatao vovonana, ora tany an-toerana, no nandray ny fahefana amin'ny maha filoham-pirenena amerikanina Joseph Robinette Biden Jr., fantatra amin'ny anarana hoe Joe Biden.Lire la suite ... -
- mardi, 19 janvier 2021 08:09
- Zakaria
- Tahirin-tsary fampiaingoana
Antenimierandoholona : Hivory voalohany ireo Senatera vaovao
Ny talata faharoa aorian’ny nanambarana ofisialy ny voka-pifidianana loholona nataon’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana, no mivory voalohany ireo senatera vaovao handrafitra ny Antenimierandoholona.Lire la suite ... -
- samedi, 16 janvier 2021 19:47
- Zakaria
EVASAN : Nalefa maika tsaboina atsy La Réunion ramatoa vadin’ny tompon’ny kaompania STA
Nanaitra ny manodidina sy ny mpandalo ny nahita fiara mpitondra marary na « ambulance » niisa telo be izao nijanona vao maraina nanoloana ny trano iray teny Marivolanitra, avaratr’Andohalo, Boriborintany Voalohany ny zoma 15 janoary 2021.Lire la suite ...
Page 1 sur 111