Alzeria: Voasambotra ny rahalahin'i Bouteflika

  • samedi, 04 mai 2019 14:59
  • Sary nindramina

Ahiana hiketrika fanonganam-panjakana, fanohitohinana ny fandriam-pahalemana anatiny, izany no vesatra nisamborana an'i Saïd Bouteflika, rahalahin'i filoha alzerianina nametram-pialana Abdelaziz Bouteflika.

Niara-nivory tamina Jeneraly roa hafa efa misotro ronono izy, ka nosamborina ihany koa ireo jeneraly ireo.

Ny jenaraly Athmane Tartag, dit Bachir, dia jeneraly akaiky ny filoha teo aloha nisahana ny fiarovana anatiny, ity rahalahiny Saïd Bouteflika kosa no tena nitondra an'i Alzeria satria ny filoha dia efa narary efa ela, ny jeneraly Mohamed Mediène dit Toufik kosa dia lehiben'ny sampam-pitsikolovana alzerianina teo aloha.

Raha tsiahivina dia tsy nanaiky ny hilatsahan'i Filoha teo aloha Abdelaziz Bouteflika ireo Alzerianina nidina an-dalambe ary nitaky ny fialan'ity farany, izay efa nitondra nandritra ny 20 taona.

Nametram-pialana izy ny 2 aprily rehefa noteren'ny Tafika ary nandray ny fahefana vonjy maika, ary nikarakara fifidianana, fa tsy nitsahatra ny fitakiana an-dalambe fa mitaky ny fanalana ireo mandrafitra ny fitondrana izay mety mbola angeja sy angala-bato.

Ny fisamborana ity faralahin'i filoha teo aloha ity sy ireo jeneraly roa ireo dia nahafaly ireo Alzerianina mpanao fitokonana.

(Sary nindramina: Eo ambony Saïd Bouteflika rahalahin'i Filoha teo aloha, ankavia amin'ny sary ny jeneraly Athmane Tartag, dit Bachir ary eo ankavanana ny jeneraly Mohamed Mediène dit Toufik)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.