Analavory-Itasy: Saron’ny Zandary ireo jiolahy mpamono olona

  • jeudi, 28 mars 2019 09:38
  • Sary ZP

Jiolahy 16 no voasambotry ny Zandary tao amin’ny Fokontany Beravina Analavory, Distrika Miarinarivo ny talata 19 marsa teo ka vehivavy ny 04 amin’ireo. Fanafihana mpivarokena iray sy ny vadiny, izay nitranga ny harivan’io talata io no antony nisamborana azy ireo.

Namono omby maromaro ity mpivarokena ity ka nijanona hariva tao ampivarotana izy niandry ireo hena ho lany. Rehefa nandeha nody izy mivady no nisy nanakana ny posy nitondra azy ireo, sady nandrahona : "aiza ny vola ?".

Nanampoaka basy ireo olon-dratsy ary nitifitra rehefa tsy nanome ny vola ilay mpivarokena, ka teo amin’ny kibony sy ny foto-tsofiny havanana no voa. Avy hatrany dia nomen'ilay vehivavy vadiny kosa vola mitentina 9.000.000 Ariary rehefa nahita ny fahavoazan’ny vadiny izy.

Vao nandre ny poa-basy ny Zandary, izay tsy lavitra teo, dia namonjy avy hatrany ny toerana nitrangan’ny fanafihana saingy efa tsy tratra ireo jiolahy. Nizara roa ny dian’izy ireo ka ny andiany iray nitondra ny maratra teny amin’ny hopitaly, ary andiany iray kosa dia nanenjika ireo jiolahy.

Rehefa natao ny fanarahan-dia dia ny alarobia 20 martsa tokony ho tamin’ny telo ora maraina no tratra ny 04 tamin’ireo jiolahy ka ny 03 dia lehilahy ary vehivavy ny iray. Rehefa nanontaniana ny vadin’ilay mpivaronkena dia nanamarina fa nisy tamin’ireo jiolahy voasambotra no tsaroany ny endriny tamin’ny nanakana azy ireo teny ambony posy.

Ny alakamisy 21 martsa no nahasamborana ny jiolahy 04 hafa rehefa nanaovanan’ny Zandary vela-pandrika. Tafakatra 16 ny voasambotra rehefa niroso hatrany ny fanadihadiana sy ny fikarohana, ka vehivavy ny 04, ary ny 09 amin’ireo no nandray anjara mivantana, fa ny 07 kosa dia firaisana tsikombakomba.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.