Mahajanga: Vola sandoka mitentina 16 660 000 Ariary sarona

  • vendredi, 09 novembre 2018 15:37
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Teo ampikasana hanao fifanakalozana teny Mahabibo no tratran'ny vela-pandriky ny polisy avy eto Mahajanga ity tovolahy ity, niaraka tamin'ny vola sandoka mitontaly 16 660 000 Ariary na 83 300 000 Fmg.

Avy any amin'ny Distrikan'i Befandriana Avaratra ao amin'ny faritra Sofia ireto vola ireto ary tany ihany koa no nanamboarana azy, araka ny fanadihadiana. Saika hatakalo vola tena izy, ambanin'ny sandany ary hakana tombony avy eo ireto vola sandoka ireto, izany hoe raha 20 000 Ariary dia atakalo latsak'izay.

Vola 20 000 Ariary miisa 676, iray alina Ariary taloha miisa 59, iray alina Ariary vaovao 221, dimy arivo Ariary miisa 58 ary 2 000 Ariary miisa 25 no manome io tontalim-bola sandoka io.

Natolotra ny Fampanoavana ny maraina teo ity tovolahy ity ary mitohy ny fanadihadiana lalina mahakasika ity tambazotra ity.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.