Trafika sokatra: Malagasy telo, Sinoa roalahy migadra enin-taona an-tranomaizina
- vendredi, 26 octobre 2018 08:07
Tontosa omaly alakamisy 25 oktobra teto Toliara ny Fitsarana ireo olona telo, roalahy sy vehivavy iray, nahatrarana sokatra miisa 10 196 tao Betsinjaka, Toliara tamin'ny aprily 2018.
Sazy enin-taona an-tranomaizina, sazy mihatra miampy onitra 30 tapitrisa Ariary, arotsaka ho an'ny fiadidiam-paritry ny tontolo iainana Atsimo Andrefana, ary lamandy 100 tapitrisa Ariary ny sazin'izy ireo.
Namoahan'ny Fitsarana didy fisamborana kosa ny lehilahy iray antsoina hoe : Lahady Ledjee voasaringotra amin'ity raharaha ity.
Nisy teratany Sinoa roalahy ihany koa voarohirohy tamina trafika sokatra hafa nitranga tamin'ny volana aprily 2018. Notsaraina omaly izy ireo.
Sazy enin-taona an-tranomaizina, sazy mihatra miampy onitra 50 tapitrisa Ariary, arotsaka ho an'ny fiadidiam-paritry ny tontolo iainana Atsimo Andrefana, ary lamandy 100 tapitrisa Ariary no didy navoakan'ny Fitsarana ambaratonga voalohany teto Toliara.
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.