Sambava: CEPE tao anatin'ny fanahiana

  • mercredi, 15 août 2018 21:40
  • Sary Gasypatriote Sambava

Ny teto Sambava renivohitra no azo lazaina nandeha tsy nisy tomika ny fanadinana CEPE omaly, izay nahitana mpiadina 2.946 voasoratra anarana, saingy nisy 320 no tsy niatrika ny fanadinana.

Tsy nandray anjara ireo mpampianatra avy amin’ny Sempama Nosy ka niteraka fikorontanana tamin'ny foibem-panadinana maro.

Ny tao amin’ny foibem-panadinana Bemanevika izao dia tamin’ny sivy ora vao afaka nanomboka. Tsy ampy isa indray anefa ny laza adina ka voatery nitadiavana vahaolana, nandeha nitady toerana nanaovana photocopie.

Ny tao amin’ny foibem-panadinana Anjagnoveratra dia rava tao anaty savorovoro ny fanadinana satria dia ny Ray aman-dreny mihitsy no tsy nanaiky ny zanak’izy ireo hiatrika izany fanadinana izany noho ny fotoana lava loatra tsy nianaran’ny zanak’izy ireo. Nisy ny dinika ambony latabatra ary tapaka omaly hariva fa hotanterahina amin'ity andron'ny 15 aogositra 2018 ity ny CEPE.

Tetsy andaniny dia nanao fitokonana faobe ny mpampianatra, tetsy amin’ny Lycée Mixte Soavinandriana, ny Sempama Nosy nanao fitsapan-kevitra tamin'ny fitakian'izy ireo ny hanoloana ireo tompon’andraikitra amin'ny fampianarana manomboka avy amin’ny DREN sy ny Chef Cisco ary ny mpanolotsain'ny Minisitra fa tsy mifanaraka amin’izy ireo intsony ny fiaraha-miasa.

Na dia vita aza ny ampahan'ny fanadinana CEPE dia mbola ao anatin'ny fanahiana lava ny ray aman-dreny eo ampiandrasana ny mety ho vokatr'izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.