Lalam-pirenena RN34 Morondava - Antananarivo: Adino tanteraka tsy misy mpijery ny lalana tapaka

  • mardi, 16 janvier 2018 16:49
  • Sary Gasypatriote Morondava

Miaritra ny mafy rehetra ny mponina mandeha aty Menabe Morondava, taorian'ny cyclone AVA, tsy jeren'ny fanjakana, lasa filambola ny fahasimban'ny tetezana sy ny lalana.

1 000 - 5 000 Ariary ny miakatra amin'ny tohatra, toy izay koa ny midina ary 5 000 Ariary mahery ny lakana. 1 000 - 2 000 Ariary ny mibata entana.

Izany hoe raha 35 000 Ariary ny frais teo aloha miampy sakafo 5 000 Ariary, sy ny fiakarana tohatra, mibata entana, ary mandeha lakana izay mitotaly 40 000 Ariary, dia tafakatra hatramin'ny 100 000 Ariary no lany rehefa andeha aty Morondava amin'izao.

Amin'ny Lalampirenena RN34 mampitohy an'i Morondava sy Antananarivo moa io tapaka io, andrefan'ny Matelona Soavina Ankazimiriotra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.