Mahajanga: Jiolahy roa nosamborim-potsiny

  • lundi, 16 octobre 2017 22:18
  • Sary Sobika Mahajanga

Teo am-piandrasana ny olona hotafihana izy roalahy ireo no tratry ny velapandriky ny polisy rehefa nahazo loharanom-baovao mari-pototra.

Ny alatsinainy 09 oktobra teo no nisy nampandre ny polisy avy amin'ny Police Judiciaire Mangarivotra fa misy roa lahy mampiahiahy ao amin'ny fokontany Mahatsinjo. Rehefa nofotopotorana dia fantatra fa mikasa hanakana ramatoa iray mitondra vola 40 tapitrisa Ariary, karaman'ny mpiasa amina orinasa iray izy ireo.

Nidina avy hatrany nijery ny zava-nisy teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana ary tena teo tokoa ireo roalahy voalaza niaraka tamina kitapo babena iray. Avy hatrany da natao ny fisamborana saingy namaly tamin'ny antsy izy ireo. Raikitra ny fifampitolomana ary nandratra polisy iray. Voatery nanapoaka basy ireo polisy.

Basy PA efa tsy misy bala intsony, antsy maranitra ary ody gasy tsy mampipoaka basy no tratra teny amin'ireo jiolahy, niaraka tamina fanamiana mpitandro ny filaminana.

Niaiky ireo jiolahy fa izy ireo no tompon' antoka tamin'ny fanafihana teratany karana teny amin'ny Fokontany Manga sy Mangarivotra ary efa tonga hatrany Maevatanana sy Port Berger.

Dimy lahy izy ireo no mpiaraka ary mbola ifampitadiavana ny namany. Efa nisazy ihany koa ary mpamerin-keloka ireo jiolahy ireo. Manao ezaka mafy ny mpitandro ny filaminana aty Mahajanga satria mahazo vahana indray ny fanafihana mitam-piadiana tato ho ato.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.