Vaovao

    • samedi, 07 décembre 2019 22:22

    Lokomby-Manakara: Saika ho doran’ny andian’olona ny tobin’ny Zandary

    Nieren-doza ny tobin’ny Zandary ao Lokomby-Manakara androany. Nisy andian’olona saika hanao amboletra hanao fitsaram-bahoaka handoro ny tobin’ny Zandary saingy voasakana izany rehefa nanao tifi-danitra ny Zandary nanaparitahana azy ireo. Vono olona nitranga tao Vohitrapanga, Kaominina Ambalaroka Distrikan’i Manakara, tamin’ny 25 novambra 2019 no niandohan’ny olana. Voasambotra ny nahavanon-doza ary notanana am-ponja rehefa natolotra ny Fitsarana taorian’ny famotorana azy. Araka ny fomban-tany amin’iny faritra iny, na inona na inona didin’ny Fitsarana dia tsy maintsy manolotra omby ho an’ny fianakavian’ny maty ny ray aman-drenin’ilay nahavanon-doza. Tonga tao Marokorika sy Soamiafana, Kaominina Bekatra, Distrikan’i Manakara nikaroka ny rain’ilay nahavanon-doza ny Fokonolona avy any Ambalaroka, saingy niveri-maina tsy nahita. Nentin-katezerana noho izany ireto andian’olona ireto rehefa tsy nahita izay notadiavina ka nopotehina sy nodoran’izy ireo ny tranon’ny ray aman-drenin’ilay tovolahy namono olona. Tranga niseho ny 4 sy 5 desambra 2019 teo.
    Lire la suite ...
    • samedi, 07 décembre 2019 20:23

    Trangam-piarahamonina: Vehivavy, bevohoka 3 volana maty nisy namono

    Vehivavy iray, mbola tanora vao 22 taona, no maty nisy namono tamin'ny fomba feno habibiana tao an-tranony ny Alakamisy 5 desambra manodidina ny mitataovovonana tany ho any. Tsindrona vy maranitra nanandrify ny fony no nahafaty ilay vehivavy. Tsy fantatra hatreto izay nahavanon-doza satria ilay vehivavy sy ny zanany kely vao 3 taona no tao an-tranony ka tsy nisy nahare izay zava-nitranga. Ny fianakavian'ilay vehivavy tonga hitady azy no ankona raha nahita azy efa nivalampatra teo am-pandriana raha ny nambaran'ny lehiben'ny Fokontany Ambohipeno, Kaominina ambonivohitra Antsirabe, ary ireo no nampandre ny Fokonolona. Nentina teny amin'ny hopitaly saingy efa tsy nisy fiala-nenina azo natao intsony.
    Lire la suite ...
    • samedi, 07 décembre 2019 20:12

    Ambatovaventy-Antanifotsy: Nisy nandoro ny CEG

    Nodoran’olon-tsy fantatra ny CEG ao amin’ny Fokontany Ambatovaventy, ZAP Andranofito Distrika Antanifotsy, Faritra Vakinankaratra. Ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma 6 desambra teo, tamin’ny 1 ora maraina tany ho any no nitranga ny loza. Levon’ny afo tsy nisy noraisina ny trano sy ny fanaka toy ny dabilio raha ny tatitra netin’Atoa Rakotoarimanana Heriniaina, Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana ara-teknika sy ny fanofanana arakasa Vakinankaratra. Tombanana ho noho ny lonilony politika ity fahamaizana ity raha ny angom-baovao satria isan’ny nifaninana ho kandida ho Ben’ny tanàna ny mpampianatra iray ao amin’ity sekoly ity ary mitarika amin’ny vokatra vonjimaika. Manao antso avo amin’ny fifanomezan-tanana amin’ny fikaroham-baovao ny mpitandro filaminana sy ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana. Any an-tranon’olona aloha hatreto no handraisana ireo mpianatra amin’io herinadro io.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 05 décembre 2019 21:12
    • Sary nindramina

    Fitsarana fifidianana: Nitokona ny mpirakidraharaha

    Nahatsiaro latsa-danja ny fomba hitantanana ny fitsarana ny fifidianana ireto mpirakidraharaha eo anivon'ny fitsarana, izay misahana ny fikirakirana ny vokam-pifidianana kaominaly, natao ny 27 novambra lasa teo. Raha ny fantatratra dia tsy misy ampahafolon'ny tambi-karama azon'ireo mpitsara no omena ny mpirakidraharaha, nefa samy manao ny asa fikirakirana ny fifidianana. Tsy mihambo hitovy amin'ireo mpitsara akory izahay hoy hatrany ireto mpirakidraharaha ireto, fa mba tsy rariny kosa ny elanelana misy amin'ny fitondrana anay.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 04 décembre 2019 17:06
    • Sary SAMVA

    SAMVA: Tsy nisy fiovana ireo fitaovana eo ampelatanany, miantso ireo tsara sitrapo hifanampy

    Manazava ao amin’ny pejy facebook ny mpitantana ny SAMVA (Service Autonome de Maintenance de la Ville d'Antananarivo) fa « tsy nisy fiovana aloha hatreto ny fitaovana teo ampelatanany » amin’ny fandraofana fako eto Antananarivo Renivohitra. Isika izao, isan'izany ny litchi sy ny garaba miaraka aminy, izay tsy voafehintsika mihitsy ny mikajy izany, vokany mitobaka avo telo heny etsy sy eroa ny fako eto Antananarivo.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 04 décembre 2019 17:05

    Mantasoa: Mpianaka maty an-drano

    Nitaingin-dakana, niampita ny farihin’i Mantasoa niaraka tamin’ny moto izy mianaka omaly maraina, no tra-doza teny afovoan-drano. Nivadika ny lakana. Nifanome tanana nikaroka ny Fokonolona sy ny tompon'andraikitra tany an-toerana niaraka tamin'ny orinasa Acipenser, mpamokatra « caviar ». Nahetsika ireo « plongeurs », nampiasaina ny lakana haingam-pandeha. Hita omaly tokony ho mitatao vovonana ny lakana sy ny moto nentin’izy mianaka. Omaly, efa nilenti-masoandro no hita ny rainy, saingy efa tsy nisy aina intsony. Ny marain’ity alarobia 4 desambra no hita ny zanany.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 03 décembre 2019 10:15
    • Sary Gasypatriote Sambava

    Sambava: Nanao fitiliana VIH/Sida ny Polisim-pirenena

    Raha ny 1 desambra no ankalazana isan-taona ny Andro iraisam-pirenena iadiana amin'ny SIDA dia ny 2 desambra kosa no natokan’ny Polisim-pirenena teto Sambava nanaovana fitiliana ity tsimok'aretina VIH/Sida ity. Teo ampiandohana dia nanambara ny tompon'andraikitra teto amin'ny fahasalamana fa tokony ho hisy fifampiresahana tsirairay amin'ny olona izay hanao izany fitiliana izany fa saingy noho izy ity fitiliana faobe dia nambara fa toy ny fitiliana rehetra, ka mety ho hisy soritra na tsia, raha hita fa tena mitondra io tsimok'aretina VIH/Sida io tokoa ny olona iray dia misy ny fandraisana an-tanana azy.
    Lire la suite ...
    • lundi, 02 décembre 2019 21:48
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Lozam-pifamoivoizana: Telo mianaka niharan-doza, maty ny roa

    Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahery vaika teo Andranonahoatra-Antsirabe ny alahady 01 desambra 2019 mitatao vovonana. Raha ny filazan’ireo nanatri-maso ny loza dia itony moto scooter itony no nifandona tamin’ny fiara mini-bus iray, izay voalaza fa samy nandeha mafy. Hianatsimo ilay fiara, raha toa ka hianavaratra ilay scooter izay nanao taingin-telo, mpianaka avokoa izy telo lahy. Vokatry ny dona mafy nahazo dia tsy tana ny ain’ireo olon-dehibe roa rehefa tonga teny amin’ny hopitaly. Fahatapahana teo amin’ny tongony no nahazo ilay zazalahy kely iray.
    Lire la suite ...
    • lundi, 02 décembre 2019 21:33
    • Tahirin-tsary nindramina

    Fanaovana « permis biométrique »: Notapahin’ny mpiara-miombon’antoka sahady ?

    Miato sahady indray ny fanaovana biometrika ny fahazoan-dalana hanamory fiara sy taratasin’ny fiara. Tamin’iny herinandro iny dia hagagana ny an’ireo sekoly mampianatra fanamoriana fiarakodia rehefa tonga tao amin’ny Faritrany fa nahemotra hatrany amin’ny volana Janoary 2020 ny famoahana ny taratasy fahazoan-dalana hamily fiarakodia. Raha ny fanazavana nomena azy ireo dia misy olana ny fitaovana ka tsy afaka na dia haka sary akory aza ireo mpianatra marobe, izay taterina avy eto Antsirabe ho any Antananarivo rehefa Talata sy Alakamisy. Efa nisy ny peta-drindrina niandry azy ireo sy nanondro ny daty tokony hiverenany arakaraky ny “rendez-vous”, efa nomena azy ireo taloha.
    Lire la suite ...
    • lundi, 02 décembre 2019 21:27
    • Sary Gasypatriote

    Famatsiana rano: Mitaraina ny mponin’i Faravohitra sy Ambatomaro

    Rahoviana ihany ! Mahatsiaro voafitaka ny mponina eny Faravohitra, Boriborintany voalohany Antananarivo Renivohitra, raha nampanantenaina rano amin’ny paompy, taorian’ny nambaran’ny Jirama fa nisy fanamboarana ny fitaovana fitsinjarana rano teny Andohalo mba hahazoan’ny mponina eny Faravohitra sy ny manodidina rano, nefa tsy izay no mitranga. Rano mampiahiahy, hoy ny olona, no tonga eny amin’ireo sinibe manga natao vahaolana vonjimaika hamatsiana rano ny mponina. Sasa-miandry ny rano avy eny Amoron’Ankona nampanantenaina ho avy hatramin’ny 11 septambra 2019 indray ny mponin’Ambatomaro, Boriborintany fahadimy Antananarivo Renivohitra. Efa andro maromaro no tsy misitraka rano ny ankamaroan’ny mponina amin’iny faritra iny, mahatsiaro ho atao fahirano. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
Page 1 sur 158