Korea avaratra: Nandefa misila teo ambony faridranomasina Japon i Kim Jong-Un io maraina io

  • samedi, 04 mai 2019 14:37
  • Tigre
  • Sary fanaingoana nindramina

Vao maraina tokony tamin'ny 9ora tany an-toerana, dia nandefa misila tsy mahataka-davitra maromaro nihazo ny faridranomasin'i Japon ny filohan'i Korea avaratra, Kim Jong-Un.

Nahatratra 70 ka hatramin'ny 200km teo ambonin'ny ranomasin'i Japon ireto misila ireto.

Ny sampam-pitsokilovan'i Korea atsimo moa no nahita izao misila izao, ary nilaza ihany koa i Etats-Unis fa nahita ilay misila nirefotra.

Mihamihenjana arak'izany ity raharaha fanerena an'i Korea Avaratra hiala amin'ny fikarohana ara-pitaovampiadiana nokleary ity, raha nandamoaka ny fihaonana fanindroany, tany Hanoï Vietnam teo amin'ny Filoha roa tonta, Kim Jong-Un sy Donald Trump.

Ary efa nisy ihany koa fifanantonana nifanaovan'i Kim Jong-Un sy Vladmir Poutine filoha rosianina, izay nifanolorana sabatra ho fanamarihana ny fanambarana ny hery eo amin'ny roa tonta.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.