Floride Etats-Unis: Niafara tany anaty rano ilay fiaramanidina Boeing 737, tsy nisy maty

  • samedi, 04 mai 2019 13:07
  • Tigre
  • Sary: Jax Sheriff's Office

Niainga tao amin'ny foiben-toeran'ny miaramila amerikanina Guentanamo any Cuba ity Boeing 737, nitondra mpandeha 136 ary mpanamory 7 ny zoma alina ny 3 mey 2019, hiazo an'i Floride Etats-Unis.

Tratran'ny andro ratsy anefa izy teo ampidinana ny seranam-piaramanidina miaramila tao Jacksonville Floride, ka niantoraka havia havana ny fiaramanidina nandritra ny fiantsonana, ary niafara tao anaty rano manamorona ny seranana.

Tsy nisy ny aina nafoy, nisy kosa ny maratra, ary avy dia nentina notsaboina teo akaiky teo ihany.

An'i Kaompania Miami Air International ity Boeing 737 ity, izay modely mbola antitra noho ireo Boeing 737 max, izay efa nogiazan'ny mpitondra amerikanina tsy hisidina aloha, noho ireo ahiana tsy ho fetezana amin'ity modely ity noho ny loazam-piaramanidina roa efa nisy teo aminy, ka nahafatesana olona maro tamin'ilay Ethiopian Airlines.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.