FIFAMANOR: Voatendry ho Tale Rakotomalala Holiarison William

  • samedi, 04 mai 2019 12:53
  • Britto

Rakotomalala Holiarison William no Tale vaovaon’ny FIFAMANOR (Fiompiana Fambolena Malagasy Norveziana) ao Andranomanelatra – Antsirabe. Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly ny didim-panjakana fanendrena azy araka ny tolokevitry ny minisitry ny fambolena sy fiompiana ary ny jono.

Tale teo anivon’ny ministeran’ny fambolena sy fiompiana ary ny jono Rakotomalala Holiarison William talohan’izao fanendrena azy ao amin’ny FIFAMANOR izao.

Mandalo fahasahiranana ny FIFAMANOR, roa volana (martsa, aprily) tsy nandray karama izao ny mpiasa.

Tale mpisolo toerana no mitantana ny FIFAMANOR hatramin’ny fiandohan’ity taona ity rehefa lasa nisotro ronono ny Tale teo taloha.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.