Raharaha « Base Toliara »: Nametraka sakana tamin’ny RN9 ny andian’olona tsy faly

  • samedi, 04 mai 2019 10:58
  • Britto
  • Sary nomena

Tapaka ny lalana ao Benetse, Kaominina Ankilimalinika, omaly hariva, noho ny fitokonana nataon'ireo andian’olona maromaro manohitra ny fitrandrahana fasimainty hataon’ny orinasa “Base Toliara”.

Vao maika nampitroatra azy ireo ny nisamboran’ny mpitandro ny filaminana nitondra kamiao sy 4x4 ireo lohandohany mitarika io fanoherana ny fasimainty io.

Nisy ny fifanandrinana. Nirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso fa tsy nohemotra ireo mpanao fihetsiketsehana. Nametraka sakana tamin’ny lalam-pirenena faha-9 ireto farany ary dia tapaka nandritra ny fotoana vitsy ny fifamoivoizana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.