Fifidianana Solombavambahoaka: Miisa 25 365 ireo birao fandatsaham-bato manerana ny Nosy

  • samedi, 04 mai 2019 10:50
  • Britto

Ny fanapahana laharana faha-32/CENI/2019 tamin’ny 27 martsa 2019 no nametraka ny isan’ny birao fandatsaham-bato ho 25 365 mandritra ny fifidianana Solombavambahoaka izay hotanterahina ny alatsinainy 27 mey ho avy izao.

Nitombo 513 ny isan’ny birao fandatsaham-bato raha oharina tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena tamin’ny taon-dasa. Mety mbola hiova ny isan’ireo birao fandatsaham-bato ireo raha misy ny antony tsy azo anoharana, 48 ora farafahatarany, mialohan’ny andron’ny fifidianana.

Feran’ny lalàna ho 700 ny isan’ny mpifidy ao amin’ny birao fandatsaham-bato iray.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.