Fianarantsoa: 15 185 no isam-bato manelanelana ny kandida roa lohalaharana

  • vendredi, 09 novembre 2018 18:13
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Fianarantsoa

Nivoaka ity andron'ny zoma ity ny voka-pifidianana vonjimaika ho an'ny Distrikan'i Fianarantsoa. Nahazo vato 25 235 ny kandida laharana faha-13. Manaraka azy eo ny kandida laharana faha-25 amin'ny isam-bato 10 050.

Mitotaly 1 820 kosa ny an'ny kandida laharana faha-12, izay arahan'ny laharana faha-34 akaiky amin'ny isa 1 652.

Marihina fa 93 952 no isan'ny mpifidy voasoratra anarana, 43 313 no tonga nandatsa-bato, 2 796 no vato maty ary 42 033 no vato manankery.

Vokatra avy amin'ny birao-pifidianana 159/159 ireo notaterina ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.