Sambava: Nitondra valin-kafatra ho an’ny Kandida Orlando ilay mpamily kamiao niharan-doza taminy

  • mercredi, 10 octobre 2018 08:47
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Sambava

Atoa Richard Jeannot, izy no mpamily ilay kamiao izay nifandona tamin’ny fiara 4X4 nisy ity kandida ity tamin’ny Sabotsy lasa teo, ampidirana ny Fokontany Antsaborara Kaominina Farahalana.

"Malahelo zaho hoy i Richard Jeannot raha nolazaina fa nirimorimo ny kamiao nentiko ka nahatonga ny loza. Ny tena marina dia ny mpamilinao no nanomboka niala lalana izay mbola hita soritra io hatramin’izao na dia efa niezaka nandositra anareo aza izaho ka niafara tamin’izao.

Izahay ny nanana ny marina tokony hampianareo indray ve no diso ?"

Na izany aza dia apetraka amin’ny mpitandro filaminana izay efa nidina ifotony ihany koa mandray an-tanana ny fanadihadiana mba ahitana ny marina.

(Jereo sary tohiny)

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.