Sambava: Vary simba 300 gony nodorana

  • jeudi, 13 septembre 2018 13:10
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Sambava

Mbola ilay tranombarotra iray nahatrarana entana simba tamin’ny 1 septramba 2018 teo ihany no nahitana azy ireo. Naneho fahendrena anefa ny tompiny ka nampandre ny Talem-paritry ny varotra SAVA, BE Christophe ny fisian’io.

Nandray fepetra avy hatrany ity farany, ka nalaina, nopotehina ivelan’ny tanàna ireo vary ireo nisorohana ny fahasalamam-bahoaka.

Mbola manentana ny rehetra ny Talem-paritry ny varotra SAVA hampilaza sy hampahafantatra raha mahita entana na sakafo efa simba handraisana fepetra.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.