Toamasina: Zanaka mpitandro filaminana, sarona tamina fanafihana mitam-piadiana

  • jeudi, 13 septembre 2018 12:30
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Toamasina

Roalahy no voasambotra. Mpanafika mpivarotra fahana sy mpanao “Mobile Money” izy roa lahy ireo. Efa nanaovan’ny Zandary ny fanarahan-dia noho ny fitarainana maro voarain’ny Zandary izy roa lahy, fa izao vao tratra.

Mbola tratra teny amin’izy roa lahy ny fahana sy “carte Bip” avy nangalarin’izy ireo. Ny moto fitondran’izy ireo manafika ihany koa fantatra tamin’ny taratasin’ny moto fa avy nangalarina.

Fantatra tao anatin’ny famotorana azy ireo fa zanaka mpitandro filaminana ny iray amin’izy ireo. Anio no voalaza fa hiakatra fitsarana ny raharaha.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.