Ambatondrazaka: Tanàna voalohany hananganana biraon’ny CENI

  • mardi, 04 septembre 2018 08:46
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Ambatondrazaka

Trano mirefy 15mx12m izay ahitana efitra enina no haorina. Santatry ny mbola ho tanterahana any amin’ny faritra hafa io hoy i Hery Rakotomanana, filohan’ny CENI.

Ny sabotsy 1 septambra teo no notontosaina ny hady fototry ny trano. Haharitra 90 andro ny asa. Ny Kaominina ambonivohitra Ambatondrazaka no nanolotra ny tany. 200 tapitrisa Ariary ny vola ho lany amin’ny fananganana azy.

Nanambara ny filohan’ny CENI fa tokony ho filamatra amin’ny fomba fiasa ireo tomponandraikitra aty Ambatondrazaka satria sarotra hoy izy ny niady ny mba hananganana io trano voalohany io.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.