Sambava: Fitsaram-bahoaka sahady ?

  • lundi, 06 août 2018 22:46
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Sambava

Dahalo votsotra iray andro taorian'ny nanaterana azy teo anivon’ny mpitandro ny filaminana. Tsy faly tamin’izany ny mponina tao Soavinandriana ka nandefa delegasiona tonga teny amin’ny Zandary androany maraina, fa tsy nahafa-po azy ireo ary manjavozavo ny antony nahavotsotra ity dahalo rain-dahiny ity.

Raha natao ny fisavana trano nataon'ny mpitandro filaminana taorian'ny nanamborana ity dahalo ity dia nahatratrarana akoho amam-borona maro ary lavanila tao anaty lavaka tao anaty trano izay voatokana fikajiana zavatra maloto.

Noho ireo rehetra ireo no nahatonga ny vahoaka hitroatra tamin’ity andro androany ity satria mba niezaka nisoroka ny fitsaram-bahoaka, nefa indrisy izao sahady no nitranga raha vao tapitra ny atrik’asa momba ady fisorohana izany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.