Hiroshima 06 aogositra 1945 - 06 aogositra 2018: fahatsiarovana 73 taona taty aoriana

  • lundi, 06 août 2018 17:25
  • Tigre
  • Sary nindramina

Ny marainan'ny 06 aogositra 1945 tokony tamin'ny 8ora15min, dia nalatsaky ny amerikanina tamin'ny alalan'ny fiaramanidina mpiady B-29 "Enola Gay", tao Hiroshima Japon, ny baomba atomika "Little Boy", ary telo andro taoriana dia nandatsaka baomba hafa tao Nagasaki.

Izany moa no nataon'ny amerikanina hanerena ny Japon hanaiky ho resy tamin'ny ady lehibe faharoa, ary ampisehoan'ny Amerikanina amin'ny Russie fa afaka potehiny amin'ny baomba atomika ihany koa i Russie. Sady andrana nataony amin'ny teknolojia sy fitaovam-piadiana ananany.

Olona aman'hetsiny no namoy ny ainy tamin'izany.

Notsarovana tao Hiroshima izany io maraina io, ka dia naneno ny lakolosy tamin'ny 8ora15min maraina. Nilaza ny Ben'ny Tanàna ny tsy hisian'izany intsony maneran-tany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.