Fandrobana Microcred Mahajanga: Mifanilika ny samy mpitsara

  • lundi, 06 août 2018 16:46
  • Britto
  • Tahirin-tsary Gasypatriote Mahajanga

Miteraka resabe eto Mahajanga ny namotsorana ireo jiolahy nosamborin’ny Polisy heverina fa tompon’antoka tamin’ny fandrobana ny Microcred. Araka ny loharanom-baovao akaiky ny Fitsarana dia tsy mbola vita akory ny raharaham-pitsarana fa mbola vao miandry tohin’ny ankety amin’izao fotoana izao ny raharaha.

Manana zo hitaky fahafahana vonjimaika (LP) ny voarohirohy, saingy tsy mbola nahazo izany, na efa nangataka aza izy ireo, tao amin'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany (TPI) teto Mahajanga.
Noho io dia nampakatra ny raharaha tany amin’ny Fitsarana Ambony ireo izay voakasika ka tamin'ity farany no nangataka LP indray ireo voampanga, ka ny rantsa-piampangana tao amin’ny Cour d'Appel no namoaka ny fanapahana fahafahana vonjimaika ho an'izy efatra mirahalahy voalaza fa lohandohan’ny mpisorona tamin’ilay fanafihana banky Microcred Mahajanga farany teo iny.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.