Antsohihy: Hitohy rahampitso ny adina ara-panatanjahantena bakalôrea

  • lundi, 09 juillet 2018 14:40
  • Britto

Nanomboka ny 2 jolay ary hitohy hatramin’ny 11 jolay 2018 ny adina ara-panatanjahantena bakalôrea eto Antsohihy. Niato nanomboka ny zoma 6 jolay teo anefa izany noho ny fitokonan’ny mpampianatra mitaky ny tombontsoany.

Taorian’ny dinika tao amin’ny Cisco Antsohihy androany anefa dia tapaka fa hitohy rahampitso talata 10 jolay io adina ara-panatanjahantena bakalôrea io, ka mpampianatra avy amin’ny tsy miankina sy avy amin’ny ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena no hanatanteraka izany.

Etsy ankilany dia tsy tontosa ny fanadinana andrana CEPE na “CEPE Blanc” tokony natao androany teto Antsohihy noho io grevin’ny mpampianatra io hatrany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.