“Déchéance” depiote: Mangina ny HCC

  • lundi, 09 juillet 2018 14:39
  • Britto

Mijanona ho taratasy tsy misy tohiny eny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenena hatreto ny fangatahan’ireo antoko sy vondrona antoko isany, Parti Vert, VPM-MMM, Tiako i Madagasikara ary MAPAR ny hanonganana (déchéance) ireo depiote voafidy tamin’ireo antoko sy vondrona antoko ireo tamin’ny fifidianana natao ny 20 desambra 2013 nefa namadika palitao nony nahazo seza ao Tsimbazaza.

Miisa 22 ireo depiote voakasik’ireo fitoriana tonga eny amin’ny HCC, tsy mbola misy valiny hatramin’izao ireo na efa iray volana mahery aza no nipetrahan’ny fangatahana miendrika fitoriana eny Ambohidahy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.