Sambava: Maizina ny tanàna
- lundi, 09 juillet 2018 12:43
- Britto
Notapahan’ny Jirama vonjimaika ny famokarana herinaratra manoloana ny grevy ataon’ny mpanjifa avy amin’ny kartie samihafa eto an-toerana, izay nirohotra niazo ny foibe famokarana io atoandro io, maneho ny tsy hafaliany amin’ny fahatapahan-jiro matetika.
Nosakanan’ny mpitandro ny filaminana moa ireo mpitokona, ary niangaviana hiroso amin’ny fifampiresahana hisorohana ny mety ho fanimban-javatra.
Amin’izao ora anoratana izao aloha dia tsy misy herinaratra eto Sambava tampon-tanàna, eny fa na amin’ireo kartie sokajiana ho saropady toy ny hopitaly aza.
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
Le code HTML n'est pas autorisé.