Alaotra Mangoro: Tsy mankatoa an'i Horace Gatien ireo Mpanabe

  • mercredi, 13 juin 2018 09:22
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Ambatondrazaka

Tsy matoky ny minisitra vaovao ao amin'ny Fanabeazam-pirenena ireo mpampianatra ao amin'ny DREN Alaotra Mangoro. Nanao fitokonana faobe tao amin'ny kianja ny CEG Razaka izy ireo ny talata 12 jona ho marik’izany.

Nanao diabe namakivaky ny tanàna ireo mpampianatra rehetra ao amin'ny CISCO Ambatondrazaka. Mila miova ny minisitra hoy izy ireo ary voavaha ny hetahetan’ny mpanabe vao mitohy ny fampianarana .Efa ela no natao ankilabao ny mpanabe ka mijoro izahay ankehitriny hoy hatrany izy ireo.

Raha tian'ny fanjakana hitohy ny fampianarana dia tokony vahana haingana ny olan’ny mpanabe fa tsy atao andraso lava. “Rehefa mivaly hatrany amin'ny 80% ny hetahetanay dia miverina mamoha ny varavaran-tsekoly izahay” hoy izy ireo.

Any amin'ny fitondram-panjakana arak'izany ny baolina fa anjarany sisa raha hamono izany na mbola hilalao fotsiny.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.