Fanakanan-dalana RN4: Olona 7 voasambotra

  • mardi, 12 juin 2018 13:23
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Tovolahy miisa 7 no voasambotra voarohirohy ho tompon'antoka tamin'ny raharaha fanakan-dalana teny amin'ny PK 36, RN4, teny Besely ao anatin'ny Kaominina Ambalakida, ny alin'ny 5 jona lasa teo, tokony ho tamin'ny 8ora alina.

Nirefotra ny basy tamin'io fotoana io. Soa fa tsy nisy ny naratra fa fiara 4x4 iray lasibatra no nisy fahasimbana.
Famaky sy lefona, antsy maranitra, basy poleta 1 sy basy vita gasy 2 no nampiasain'ireo dahalo nandritra ny asa ratsy nataony. 12 lahy no tena tompon'antoka tamin'ny asa ratsy fa mbola izy 7 lahy ireto no izao sarona izao.

Hatolotra ny Fampanoavana ireto tanora zazalahy ireto aorian'ny famotorana atao azy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.