Governemanta iraisana: Tsy handray anjara ny TIM ?

  • samedi, 09 juin 2018 21:54
  • Britto

Saro-piterahana ny governemanta Ntsay Christian. Nandrasana hatry ny zoma 8 jona 2018 ny fanendrena ireo minisitra handrafitra ny governemanta iraisana saingy mampifanolana ny fizaran-toerana hatreto.

Mitsipaka ny hisian'ny HVM ao anaty governemanta vaovao ihany koa ny eo amin'ny Kianjan'ny 13 mey sy ny ankamaroan'ny sendika, fitakiana izay mifanohitra amin'ny marimaritra iraisana.

Miady ny hanana toerana maro ao anaty governemanta ny HVM noho ity antoko ity mihevitra fa manana ny maro an'isa eny anivon'ny Parlemanta. Any amin'ny laharana faharoa amin'ny isan'ny ministera homena azy ny MAPAR, ministera fito hatreto ; efatra ny ho an'ny TIM.

Raha ny loharanom-baovao dia mety tsy hiditra ao anatin'ny governemanta amin'izany endriny izany ny TIM tarihin'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ity farany izay tsy eto an-toerana amin'izao fotoana izao.

Izay ve no antony tsy mbola nampahafantarana ny fijoroan'ny governemanta iraisana ? Ny filohan'ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina anefa ity hiazo an'i Canada anio alina.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.