Mahajanga: Misantatra ny fankalazana ny fetim-pirenena

  • samedi, 09 juin 2018 15:41
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Nosokafana tamin'ny diabe namakivaky ny tanàna ny fankalazana ny fetim-pirenena Malagasy aty Mahajanga. Ny prefektiora sy ny Faritra Boeny ary ny Kaominina renivohitr'i Mahajanga no mitarika ireo hetsika rehetra iarahana amin'ireo sampandraharaham-paritra samihafa.

Niainga teo amin'ny Lapan'ny Tanàna ny diabe ary nifarana teo ihany, narahina zumba izay nandraisan'ny rehetra anjara.

Hetsika maro no hotanterahina nanomboka ny zoma 8 jona 2018, fa anisan'ny mampiavaka ny eto Mahajanga ny kermesin'ny Foloalindahy, izay karakarain'ny Faritany miaramila faha-4, manomboka ny 18 jona izao, ary tsy mifarana raha tsy ny 26 jona. Lalao sy varotra isan-karazany no tanterahina mandritra izany.

Toy ny mahazatra, misy ireo fizarana arendrina sy kilalao isaky ny fokontany. Ezahina hatrany ny hampiavaka ny fankalazana ny fetim-pirenena eto Mahajanga.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.