Anosipatrana-Antananarivo: 4x4 Mitsubishi nitsoraka tany an-tanimbary

  • vendredi, 08 juin 2018 21:45
  • Britto
  • Sary CUA

Nitrangana lozam-piarakodia teny Anosipatrana, Boriborintany faha-4 androany Zoma 08 jona 2018. Fiara tsy mataho-dalana marika Mitsubishi iray no niala ny arabe ka nitsoraka tany an-tanimbary.

Tsy nisy ny aina nafoy fa olona iray tao anaty fiara sy ny olona iray hafa tety amin’ny arabe no naratra ka nanaovana ny vonjy voina avy hatrany.

Nifarimbona tamin’izany famonjena izany ny mpamonjy voina avy amin’ny College Montmorency Canada sy ny tetsy Tsaralalana izay anatin’ny fotoana ifampizarana traikefa amin’izao fotoana izao. 

(Jereo Sary Tohiny)

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.