Ambositra: Mirotaka ny mpianatra, tora-bato miraradraraka

  • mardi, 15 mai 2018 09:49
  • Britto
  • Sary nomena

Rotaka be eto Ambositra. Mandrava sekoly ny mpianatra CEG Ankorombe sy lycée Ankorombe, io maraina io.

Tora-bato be miraradraraka no andravan’ireo andiana mpianatra ireo ny ao amn’ny CEG Ambohimiadana, nitohy tao Antanomponivinany niazo ny lycée technique miaraka amin'ny kibay ny sasany.

Nisy mpitandro filaminana tazana ihany, fa vitsy an’isa, dia nikisaka. Nandamina ny lehiben'ny fampianarana fa tsy nihaino ireo andiana mpianatra fa nirodorodo nanohy ny dian'izy ireo.

Ankizy vitsivitsy izao no efa ao amin'ny hopitaly vaky loha vokatry ny tora-bato.

Tsy fantatra aloha hatreto iza no mitarika izao sy ny zavatra takian'izy ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.