Sambava: Nidoboka am-ponja ilay mpampianatra nametaveta ankizivavy 13 taona

  • mardi, 08 mai 2018 11:56
  • Britto

Mpianany ihany, izay kilasy T4, ao amin'ny ZAP Antsahavaribe, CISCO Sambava, no niharan’ity fanararaotana ara-nofo ity.

Niaiky ny zavatra nataony ramose, saingy nangataka ny mba hanaovana raharaham-pihavanana ka hanolotra omby iray ho an’ny Ray aman-dren’ilay ankizivavy, fa tsy nety ireto farany fa nitondra ny raharaha tao amin’ny Ben’ny Tanàna Antahavaribe, ary ity indray nandefa azy teo anivon'ny mpitandro ny filaminana mifehy ny faritra misy azy, dia ny Zandarimaria Amboangibe.

Natolotra ny Fampanoavana Fitsarana ambaratonga voalohany Antalaha omaly alatsininy 07 mey 2018, taorian’izay no nivoahan’ny didy savaranonando itazomana azy am-ponja vonjimaika miandry ny fitsarana azy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.