Fianarantsoa: Mpitsara iray voatifitra tao an-tranony

  • dimanche, 15 avril 2018 18:41
  • Britto

Nitrangana vaky trano misesy ao amin'ny Fokontany Ankofafa, Fianarantsoa tao anatin'ny herinandro.

Dimy no isan'izany tao anaty ny dimy andro. Saika trano fivarotana avy ireo toerana ireo. Ny alin'ny sabotsy hifoha ity Alahady 15 aprily no nanafika tao amin'ny trano fonenan'ny mpitsara iray, filoha lefitry ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Fianarantsoa, ireo mpamaky trano ireo.

Voatifitra teo amin'ny lohany ilay raim-pianakaviana ary nentina avy hatrany teny amin'ny toeram-pitsaboana.

Ny atoandron'ity alahady ity no tonga teto Fianarantsoa ny fiaramanidina nitondra azy hotsaboina any an-drenivohitra.

Mitebiteby ireo mponina ao amin'io Fokontany io ankehitriny noho ny fanafihana mihamahery vaika toy izao.

Tsy mbola ahenoana fanamborana ny nahavanon-dratsy momba ireo tranga ireo eny anivon'ny Commissariat tandrify.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.