Mahajanga: Avo vava amin’ny Zandary ireto vehivavy HVM

  • samedi, 14 avril 2018 11:21
  • Britto

“Izahay no tompon’ity fitondrana ity, maninona no sakanana ?”. Niakatra ny feo teto amin’ny croisement Amborovy io maraina io raha nosakanan’ny Zandary mandrindra fifamoivoizana ny Bajaj mitondra ireto vehivavy HVM hiazo ny seranam-piaramanidina Amborovy, voalaza fa hitsena ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina ho avy aty an-toerana amina lanonam-pitokanana foto-drafitrasa.

Efa lalàm-paritra mipetraka ary nohajaina hatramin’izay, fa dia voarara ny fandehanan’ny Bajaj miazo an’Amborovy rehefa sabotsy sy alahady, ary tsy nanao afa-tsy mampihatra izay ny mpitandro filaminana. Tsy fahalalana sa te hampiseho fa izay tiany ihany no atao, fa dia avo vava nitabataba ireto vehivavy HVM ireto rehefa voasakana ny Bajaj nitondra azy ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.